Alahady 29 Mey 2022

Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe : Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra ; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana. Marka 7:37

 

Avy amin’ny hagagana ho amin’ny finoana

Mba voamarikao ve, ao amin’ireo filazantsara, ny hagagan’ny olona rehetra manoloana an’i Jesosy ? Mitolagaga ny manam-pahaizana, mahatsapa ny fahiratan-tsainy sy ireo valinteniny, fony Izy roambinifolo taona, nihaino sy nanontany azy ireo. Talanjona ny vahoaka, mahita ireo fahagagana nataony sy ireo teniny ; natahotra sy gaga ny mpianany, rehefa nataony nanaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina (Lioka 8:25). Na ireo mpanohitra Azy aza dia tena gaga, nanoloana ny teny navaliny ny fandrika novelarin’izy ireo taminy : „Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Marka 12:17).

Izany hagagana izany dia nametraka ireo izay nandre Azy eo anoloan’ilay fanontaniana lehibe indrindra hoe : Iza moa Jesosy ? Ny sasany nino Azy, toy ilay vehivavy Samaritana (Jaona 4) ; aleon’ny hafa kosa tsy nino sy nanalavitra Azy.

Mbola marina izany ankehitriny. Tsy gaga ve isika rehefa mamaky ny Baiboly ? Gaga amin’Ilay Andriamanitra te ho namantsika akaiky indrindra…, Ilay Andriamanitra tonga olona ary maty teo amina hazofijaliana mba hanafaka antsika amin’ny ratsy sy ny fahafatesana…, Ilay Andriamanitra nisintona antsika tsy hijery tena, mba hanafaka antsika amin’ny tsy finoantsika… Tsy mahagaga ve izany ?

Fa fahagagana inona anefa ? Ilay mampanainga soroka ve, sy mampiteny hoe : „Tsy azo ekena, satria ny Baiboly irery no manambara izany”, na hoe : „Tsara loatra izany ka tsy afaka ho marina” ? Sa kosa hagagana mampisandratra ny fontsika ho feno fankasitrahana an’i Jesosy, Izay nitia antsika ka nanolotra ny ainy mihitsy, ho ahy sy ho anao ? Ny hagagana vokatry ny finoana dia mampahalala antsika an’i Jesosy sy mamatotra antsika aminy.