Alahady 11 Septambra 2022

Izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Filipiana 2:9-11

 

Jesosy Kristy no Tompo

Nahafaty baolina ity mpilalao baolina kitra, ka mba hankalazany izany dia ningainy ny akanjony ivelany ary nasehony ny soratra teo amin’ny akanjony anatiny, hoe : „Jesosy Kristy no Tompo”. Samy afaka namaky izany avokoa ny mpijery tao amin’ny kianja filalaovana sy ny mpijery fahitalavitra rehetra. Ahoana ny akon’izany tao an-tsain’izy ireo ? Ary ao an-tsaintsika ?

Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, satria samy nolavina na Izy na ny fampianarany. Novonoina Izy ary notenenina hoe : „Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay” (Lioka 19:14). Fa ny apostoly Petera kosa dia nanamafy hoe : „Iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asan’ny Apostoly 2:36). Natsangan’Andriamanitra ho velona indray Ilay nataon’ny olona tsinontsinona sy novonoiny ho faty, ary nomeny toeram-pahefana. Araka izany dia nomelohiny an-kitsirano ny vono olona faran’izay mahatsiravina indrindra nataon’ny olombelona. Nasehony tamin’izany fa ekeny ny lanjan’ilay sorona notanterahin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ho famonjena ny olona meloka.

Izao dia mipetraka amin’ny tsirairay ny fanontaniana hoe : Inona no toeran’i Jesosy ato anatin’ny foko ? Noraisiko ho Mpamonjy ve Ilay nitondra ny fahotako teo amin’ny hazofijaliana, mba hahafaka ahy amin’ny fahamelohako eo anatrehan’Andriamanitra ? Ary raha izany, Tompoko ve Izy ? Mitondra sy mitantana ny fiainako ve ? Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe : „Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko ?” (Lioka 6:46). Ambaran’ny andalan-tSoratra Masina androany antsika fa tsy ho ela dia hanaiky ny fahefany ny rehetra. Zava-dehibe ny hieritreretan’ny tsirairay izany, ary tsara raha efa omen’ny mpino Azy sahady dieny izao eo amin’ny fiainany io toerana io.