Alatsinainy 3 Janoary 2022

Sitrak’Andriamanitra [ny] hamonjeny izay mino. 1 Korintiana 1:21

Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy (Jesosy). Hebreo 7:25

 

Voavonjy !

Raha indaosina renirano tondraka ianao, dia mila famonjena. Raha ao anaty trano mirehitra ianao, ka tsy afaka mivoaka avy ao, dia mila famonjena. Raha itambesaran-trosa tsy vitanao efaina ianao, dia mitady fanampiana. Karazam-panafahana toy izany no resahin’ny Baiboly, rehefa milaza izy fa Andriamanitra dia mamonjy ireo izay mino.

Amin’inona moa no amonjen’i Jesosy antsika ? Esoriny tao amin’ny onjan’ny ota misarika antsika ho lavitra an’Andriamanitra isika. Manafaka antsika tsy ho ao amin’ny afon’ny fanamelohana mandrakizay Izy. Mandoa ny trosan’ny fahotantsika Izy.

Any amina firenena sasantsasany, any Frantsa ohatra, dia maimaimpoana ny famonjena ireo tra-doza, nefa tena lafo ny sarany efain’ny fiarahamonina ho amin’izany. Dia toy izany koa, maimaimpoana ho antsika ny famonjena atolotr’Andriamanitra, nefa Jesosy nanefa ny saran’izany, sarany lafo dia lafo, dia ny ainy mihitsy. Izany no fanomezana avy amin’ny fitiavany. Izany no tsy ahafahana manasaraka ny famonjena atolotr’Andriamanitra sy ny finoana ny Tompo Jesosy. Jesosy no Ilay nitory ny vaovao mahafaly manambara ny famonjena maimaimpoana ; nefa tsy izany ihany, fa Izy mihitsy koa no io famonjena io. Ny anarany mantsy dia midika hoe „Andriamanitra Mpamonjy”. Rehefa nahita an’i Jesosy zaza tao an-tempoly i Simeona lahiantitra, dia nivavaka hoe : „Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana, araka ny teninao ; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao” (Lioka 2:29, 30).

Ny hoe mandà an’i Jesosy dia mandà tsy hovonjena, tsy hafahana. Iza no te handà famonjena maimaimpoana ?