Alahady 2 Janoary 2022

(Hoy Jesosy :) Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Jaona 6:40

Tao aminy (tao amin’i Jesosy) no nahariana ny zavatra rehetra. Kolosiana 1:16

 

Iza moa Jesosy ?

Maro amin’ireo mpiara-belona amintsika ankehitriny no manaiky an’i Jesosy ho môdely, ho mpampianatra to teny, ary ho mpaminany mihitsy aza. Ny Baiboly anefa dia milaza amintsika fa lehibe lavitra noho izany Izy. Lazainy fa Jesosy, Ilay mpandrafitra tao Nazareta, Ilay sakaizan’ny mahantra sy ny mpanota, dia Andriamanitra Izy tenany mihitsy. Izy no Ilay nahary ny tany sy izay rehetra ao aminy ; ary eo am-pelatanany ny fofonain’ny zavamananaina rehetra.

Ireo filazantsara dia mampiseho amintsika an’i Jesosy, Ilay Olona sady Andriamanitra, nandehandeha teny rehetra teny. Nahantra teo anivon’ireo mahantra Izy, akaikin’ireo tsy nisy mpijery, ireo jamba, ireo malemy, ireo nailiky ny fiarahamonina ; Izy dia Andriamanitra manasitrana, Andriamanitra mamela heloka, manangana ny maty, ary manome ny fiainana mandrakizay.

Petera mpianany dia niaiky fa Jesosy no Ilay „Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16). Tomasy, mpianany iray hafa, rehefa nihaona tamin’i Jesosy efa nitsangana tamin’ny maty, dia niantso hoe : „Tompoko sy Andriamanitro” (Jaona 20:28). Jaona dia nanoratra ny filazantsarany „mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20:31). Tamin’ny fitsarana Azy, rehefa nanontanian’ireo mpitarika ara-pivavahana Jesosy hoe : „Ianao va no Kristy ?”, dia namaly hoe : „Izaho no Izy” (Marka 14:61, 62). Dia nanakiana izy ireo hoe niteny ratsy Jesosy, ka nanameloka Azy ho faty, noho izany.

Iza moa Jesosy ? Izany no fanontaniana ivon’ny finoana kristiana. Izany no fanontaniana fototra ho an’ny tsirairay, satria miankina amin’ny avalintsika izany ny fiainantsika ankehitriny sy ny hoavintsika mandrakizay.