Talata 4 Janoary 2022

Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko… Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17

 

Miverina mody

Tsara vakina : Lioka 15:12-32

Hatreto angamba dia mbola tsy nampiseho taratra na inona na inona ity tovolahy ity (izay antsoina amin’ilay fiteny mahazatra hoe „zanaka adala”), fa indray andro kosa izy dia niteny tamin’ny rainy hoe te handeha hiaina ny fiainany araka izay itiavany azy eto amin’izao tontolo izao. Izany dia kisarisarin’ny olona rehetra mandositra lavitra an’Andriamanitra.

Ho aiza izy ? Ho any „an-tany lavitra”. Inona no nataony ? Niaina tamin’ny fiveloman-dratsy. Nolaniany avokoa ny fananany, ary nosimbainy ny fanahiny. Mba hahafahany mivelona, dia nekeny ny hanao asa faran’izay mahaketraka. Noana izy ary tsy nisy olona nanome na inona na inona ho azy. Ny mpiasan’ny rainy anefa dia manan-kanina be, fa izy kosa efa ho fatin’ny hanoanana.

Tara loatra ve raha miverina mody ? Nieritreritra izy hoe inona no holazainy. Mba misy fialan-tsiny kely ve, hahafahany mahazo famelan-keloka ? Tsy misy mihitsy. Tsy nitady izany akory aza izy. Tsy mendrika na inona na inona izy. Ary raha mba raisin’ny rainy ihany moa izy, na dia ho mpikarama fotsiny aza ? Dia iny izy no nitsangana, nandeha nody ho any an-trano.

Mbola lavitra izy dia efa tazan’ny rainy. Onena azy ny rainy, ka nihazakazaka nanatona azy, namihina ny vozony sady nanorokoroka azy. „Ary ilay zanany nanao taminy hoe : Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony”. Ny hany navalin’ny rainy dia ny namihina ilay vatana mahia nitafy voro-kitsay, sy niteny hoe : Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy.

Raha nanalavitra an’Andriamanitra ianao, aza miandry intsony fa miverena. Horaisiny toy io zanakalahy io ianao.