Alatsinainy 20 Desambra 2021

Nipetraka teo amoron-dàlana Bartimeo jamba mpangataka… Ary nony reny fa, injay ! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe : Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko ! … Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe : Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe : Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. Marka 10:46-49

 

Matokia, miantso anao Izy

Vahoaka marobe no nivoaka avy tao an-tanàna, nanaraka an’i Jesosy tamin’ny diany farany ho any Jerosalema. Vitsy tamin’izy ireo no nanaiky Azy ho Ilay Mesia, Ilay Mpanjaka nampanantenaina. Bartimeo, ilay jamba mpangataka, dia tsy afaka nahita tamin’ny masony, fa ny fanahiny kosa nahita tsara : rariny ny niantsoany an’i Jesosy tamin’ny anarana maha mpanjaka Azy, hoe Zanak’i Davida. Midika izany hoe : mpandova ny sezafiandrianan’i Davida, ilay mpanjaka lehibe. Noheverin’ny vahoaka ho manelingelina ilay mpangataka, ka nasainy nangina. Tsy nety kivy anefa izy, fa vao mainka aza niantso mafy. Nijanona Jesosy, ary nampiantso azy. Hafatra toa inona moa no reny ! „Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy”.

Isika ve efa nisy fotoana nanantenana antso manan-danja, na niandrasana olona iray manokana mba hamaly ? Angamba isika tsy maintsy nikiry, nitozo satria nanantena handre io antso io. Fahasambarana toa inona moa, rehefa tonga izany ! Sa isika mety mahatsapa ho tsy antsoina, manelingelina, ajanona eo amoron-dalana ? Tsia dia tsia ! Miantso antsika Jesosy, tsy manelingelina ny Tompo isika, na oviana na oviana. Ndao hanaiky ny maha Izy Azy : Ilay Zanak’i Davida, Ilay Mpanjaka, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, Ilay Zanak’Andriamanitra. Tonga tetỳ an-tany Izy mba hanjary Mpamonjy antsika. Aza misy avela hanatara antsika, na inona na inona. Tahaka an’i Bartimeo nanipy lavitra ny lambany, dia ndao hitsangana avy hatrany, hanary izay manakantsakana antsika, ary hanatona an’i Jesosy. Dia hiainantsika ny famonjena atolony, famonjena mandrakizay.