Alahady 19 Desambra 2021

… ny nampitoerany Azy (nampitoeran’Andriamanitra an’i Kristy) eo amin’ny tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina ; … nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy, ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana. Efesiana 1:20-22

 

Kristy, sady Andriamanitra no olona

Jean Chrysostome, mpitoriteny mahay tamin’ny taonjato faha-4, dia niteny hoe : „Tsy heveriko ho Andriamanitra fotsiny Jesosy Kristy, na ho olona fotsiny, fa izy roa miaraka. Fantatro fa nahatsiaro noana Izy, nefa fantatro koa fa namahana olona dimy arivo, tamina mofo dimy monja. Fantatro fa nahatsiaro nangetaheta Izy, nefa koa nanova ny rano ho tonga divay (tamina fampakaram-bady iray). Fantatro fa nentina sambokely Izy, nefa koa nandeha teny ambony ranomasina. Fantatro fa maty Izy, nefa koa nitsangana tamin’ny maty. Fantatro fa nifatotra Izy no niatrika an’i Kaiafa, Heroda, ary Pilato, nefa koa ankehitriny Izy dia miara-mipetraka amin’ny Ray eo amin’ny sezafiandrianany. Fantatro fa Ilay itsaohan’ireo anjely dia tsy iza fa Ilay natolotra hiharan’ny habibian’ny miaramila romana sy ny fahatezerana vahoaka lian-dra sy tsy mifaditra ovana.

Ny sasany amin’ireo tranga toa mifanohitra ireo, dia manondro ny toetra maha olona an’i Jesosy, ary ny sasany kosa, ny maha Andriamanitra Azy. Sady olona Izy no Andriamanitra, izany no zava-miafina tsy takatry ny saina momba an’i Jesosy.”

Ndao hankalaza Ilay Olona sady Andriamanitra misatro-boninahitra,

Ilay nivoaka ho mpandresy avy tao amin’ny fahafatesana ;

Nampandrina tanaty fitoeran-tsakafom-biby, fony vao teraka,

Ilay hiseho am-boninahitra eo amin’ny sezafiandrianany,

Ho hitan’izao tontolo rehetra izao.