Asabotsy 18 Desambra 2021

Nipetraka hihinana Izy (Jesosy) mbamin’ny Apostoly. Ary hoy Izy taminy : Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho… Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo ; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Lioka 22:14, 15, 19

 

Sakafo telo niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany (6)

Ireo sakafo telo ireo dia mampiharihary ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra manome. Nisy fampitomboana mofo indroa miantoana (Marka 8 sy Lioka 9), avy eo ny Fanasàn’ny Tompo (Lioka 22:14-20), ary ny fampahatsahivana izany tany Emaosy (Lioka 24:28-32). Ny Fanasàn’ny Tompo dia mampahatsiaro an’i Jesosy mihitsy, Izy Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, Izay nomeny mba ho famonjena ny olona.

— Ny fahagagana fampitomboana ny mofo dia nitranga tao anaty toejavatra izay toa tsy hahafahana misakafo : tany an-taniefitra, vahoaka marobe, vatsy kely dia kely… Na izany aza, dia notaomin’i Jesosy ny mpianany mba hatoky Azy : „Omenareo hanina izy”. Nefa teo Jesosy, ary nolazaina matoanteny efatra ny fahefany sy ny heriny : nandray, nisaotra (an’Andriamanitra), namaky (na koa nizara) ary nanolotra.

— Hita ihany koa ireo matoanteny ireo, ao amin’ny fitantarana ny Fanasàn’ny Tompo (Lioka 22:19), naorin’i Jesosy taorianan’ny sakafon’ny Paska niarahany nihinana tamin’ny mpianany, ny alina talohan’ny hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana. Sakafo tena tsotra —mofo sy divay-, nefa tsy ho lany ritra mihitsy ny hevitra fonosiny ! Ny Fanasàn’ny Tompo dia marika mampiseho ny fitiavana lavorary nananan’i Jesosy, Izay nanolotra ny tenany ho sorona ; maty Izy, ary nalatsaka ny rany, dia tamin’izany no nanadiovana antsika tamin’ny fahotantsika.

— Very hevitra ireto mpianatra roa lahy nankany Emaosy. Nanatona azy ireo Jesosy, ary nanazava taminy ny Soratra Masina, saingy tsy fantatr’izy ireo hoe Jesosy. Fa rehefa nandray ny mofo Jesosy, nisaotra an’Andriamanitra, namaky ny mofo, ary nanolotra izany ho azy ireo, „dia nahiratra ny mason’ireo” (Lioka 24:30, 31).

Ry kristiana namana, mba mahiratra ve ny mason’ny fontsika rehefa mihinana ny sakafon’ny Tompo isika ? Moa ve mba misokatra ho amin’ny fitiavany, ho amin’ny fifaliana noho ny fanatrehany ?