Talata 21 Desambra 2021

Ny teninao no fahamarinana. Jaona 17:17

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, … ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12

 

Nahoana no ny Baiboly, fa tsy boky hafa ?

Maro ny boky mirakitra fisaintsainana momba ny filôzôfia na momba ny fiainana, ary ny sasany amin’ireny dia tena mitombina. Inona no mampiavaka ny Baiboly amin’ireny boky rehetra ireny ? Izy ihany no milaza azy hoe : Tenin’Andriamanitra izy, ary tsy manambara na inona na inona ankoatra izany. Fa nahoana moa no marina izay ambarany ? Misy zavatra roa, farafahakeliny, manaporofo amiko fa tsy avy amin’olombelona io boky io, fa avy amin’Andriamanitra mihitsy :

— Rehefa mamaky azy aho dia mahatsapa fa milaza marina ny mombamomba ahy izy, manoritsoritra tsara ny zavatra tsapako, ny fanantenako, ny tebitebiko ; asehony ahy ny zavamisy ao anatiko lalina ao, ny zava-miafina manosika ahy hanao zavatra. Ny mpanoratra io boky io dia mahafantatra ahy kokoa noho ny fahafantarako ny tenako.

— Rehefa mamaky ny Baiboly aho, dia hitako ao koa Andriamanitra. Nefa tsy mba andriamanitra tahaka ireo hita ao amin’ny anganongano, izay tsy inona fa kisarisary maneso ny olombelona, na nofinofy noforonin’ny sain’ny olombelona ihany. Ny Andriamanitra hitako ao amin’ny Baiboly dia Andriamanitra mihoatra lavitra noho izay azo eritreretina. Andriamanitra tia ny fahavalony, Andriamanitra nietry ka tonga zazakely mihitsy, mpanompon’ny olona, nisolo voina azy teo amin’ny hazofijaliana (Filipiana 2:7, 8). Andriamanitra mandray ahy amin’izao toetrako izao, ary manolotra ahy ny voninahiny mandrakizay. Andriamanitra feno fitiavana sady feno fahadiovana, ary tia ny hananako izany fitiavana sy fahadiovana izany koa. Ray mandray ahy an-tanan-droa… Ao amin’ny Baiboly irery no ahitako izany.

Manohina ahy sy mahakasika ahy io boky io, isaky ny mamaky azy aho. Aza misalasala hamaky azy.