Alatsinainy 13 Desambra 2021

(Hoy Jesosy :) Izaho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Matio 28:20

 

Miverina amin’Andriamanitra

Mamoha trano heva fampirantiana Baiboly isam-potoana ireto mpinamana roa lahy, mba hampahafantarany ny Filazantsara. Indray andro izy ireo dia naharay izao hafatra izao :

„Ampirisihiko ianareo hisarika ny sain’ireo olona tsy manana fanantenana mandalo eo amin’ny trano hevanareo, ampirisihiko ho vavolombelon’ny Vaovao Mahafaly nampahafantarin’i Jesosy. Maro ny olona manana ny ampy eo amin’ny lafiny ara-nofo, saingy tsy manana tanjona voafaritra mazava eo amin’ny fiainana. Anisan’ireny aho taloha.

Avy amina fianakaviana kristiana aho, tsara sady maro ny namako. Tsy mba sahirana ara-bola aho, nefa dia ory nandritra ny taona maro. Tsy nanana soridalana mazava aho, ka nanapa-kevitra tsy hamonjy intsony ny fivoriana kristiana falehan’ny ray aman-dreniko. Tsy resy lahatra intsony mantsy aho hoe misy dikany ny fiainana ao anatina fikambanana toy ireny. Noheveriko fa ampy ny mino an’Andriamanitra. Liana tamina antokom-pivavahana sy filôzôfia isan-karazany aho, nefa dia zava-poana izany !

Roa taona lasa teo ho eo izay, dia niaina fotoan-tsarotra aho, ka nanjary nanjavozavo tamiko ny zava-drehetra. Namerina namaky ny Filazantsara aho, ka nahita fa Ilay Andriamanitry ny Baiboly no hany mahay manafaka antsika amin’ny ratsy sy mandray an-tanana izay rehetra mampisaraka antsika aminy. Izany faharesen-dahatra hentitra izany no vatofantsiky ny fanantenako. Mameno fifaliana lehibe ny fiainako ny fahazoako antoka fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mba hiaritra ny famaizana ny fahotako, ary nitsangana tamin’ny maty avy eo.

Ankehitriny, ny rarintsaina sy ahiahy isanandro dia tsy manaisotra amiko ny fahazoana antoka fa hitantana ahy tsy hiato mihitsy Jesosy… Nanampy ahy betsaka ny asa fanompoana ataonareo ho an’ny Tompo.”