Alahady 12 Desambra 2021

Izay nidina (Jesosy), dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra. Efesiana 4:10

 

Jesosy, Ilay namonjy ahy

Ao amin’ny Baiboly, Jesosy Kristy dia aseho ho Ilay tsy manana fiandohana na fiafarana, Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra Ray. „Nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy” (Galatiana 4:4). Satria rehefa nanketỳ an-tany ny Zanak’Andriamanitra, dia tonga olona. Araka izany, Jesosy, Ilay Andriamanitra nanjary olona, tonga tetỳ anivon’ny olona, dia nantsoina hoe Imanoela, izany hoe : „Amintsika Andriamanitra” (Matio 1:23). Ilay Zanak’Andriamanitra dia „endrik’Andriamanitra tsy hita” (Kolosiana 1:15), ary nanakona ny voninahiny any an-danitra, ka nitafy vatan’olombelona. Niaina tetỳ an-tany Izy, tsy nahalala ota (2 Korintiana 5:21). Masina sy madio tanteraka ny fiainany. Tena olona tokoa Jesosy, ary nampiseho ny famirapiratana sy endriky ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra (Hebreo 1:3), hany ka nanambara ampahibemaso Andriamanitra Ray hoe : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 3:17).

Izany Jesosy izany no namonjy ahy.

Izy ve hanorotoro ahy amin’ny fiandrianany, araka ny maha Andriamanitra Azy ? Tsia, olona ihany koa Izy, ary mandra-pahatonga ny fahafatesany, dia nentiny hanompoana ny olona, mba hanasoavany azy ireo, ny toetrany maha Andriamanitra Azy, izany hoe fitiavana, fahamasinana, fahamoram-panahy, famindrampo, tambitamby … Ny fahafatesana hoe, hoy ianao ? Eny, ny fitiavany dia novaliantsika fankahalana : nolavin’ny olona Izy, ary nohomboana teo amina hazofijaliana. Nefa dia teo koa Izy no „nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20). Jesosy dia nizaka avy amin’Andriamanitra ny famaizana sahaza ahy noho ireo fahotako, na ny lasa, na ny ankehitriny, na ny ho avy. Ny fiainany lavorary natolony an’Andriamanitra, sy ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana, no ahafahan’izay rehetra mino Azy mandray ny fahasoavana sy ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, miaraka amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no fitiavana faratampony.