Asabotsy 11 Desambra 2021

Jesosy nanao fanoharana tamin’izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha. Lioka 14:7

Raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba ; dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo. Lioka 14:13, 14

 

Rehefa asain’olona ianao… Rehefa manasa olona ianao (5)

Tsara vakina : Lioka 14:7-14

Nandritra ny fisakafoanana iray Jesosy dia nanome ireto fampianarana roa ireto, momba ny fihetsika tokony hatao rehefa asain’olona na rehefa manasa olona.

Rehefa asain’olona isika, dia toroin’i Jesosy hevitra mba hanetry tena. „Izay rehetra manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra” : mihoatra lavitra noho izay fitsipika fitondrantena tsara eo amin’ny fiaraha-monina izany. Mifanohitra amin’ny fanaon’izao tontolo izao io fijery vaovao io, fijery ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ao anatin’io sehatra ara-toe-panahy io, dia mamindra fo Andriamanitra, ary manome voninahitra izay miaiky fa tsy manana fahamendrehana halahatra.

Rehefa manasa olona isika, dia angatahin’i Jesosy hihevitra ireo olona nailikin’ny fiarahamonina, fa tsy ireo manan-katao. Mba tiany halala-tanana isika, tsy hikendry tombontsoa, tsy hiandry valiny amin’izay soa mety ataontsika. Ndao hahatsiaro mandrakariva ny fahalalahan-tanan’Ilay Raintsika any an-danitra, izay asehony antsika isanandro isanandro, asehony antsika izay mahantra, mahantra fitiavana na tsy manan-kantenaina, kilemaina, voaratran’ny fiainana sy mitahiry ireo holatry ny lasantsika ; isika izay mandringa, ka na efa nahazo taom-pahasoavana maro aza, dia mbola mikotringatringa ihany manatona an’Andriamanitra, tsy sahy mino ny fitiavany ; isika izay jamba mihevi-tena ho mahiratra sy mahalala… Ndao hiezaka haka tahaka izany fahalalaham-pon’Andriamanitra izany. Na eo aza ny fahasamihafantsika, dia miara-taomina isika hipetraka am-panetrentena eo amin’ny toerana aoriana indrindra, sambatra satria manana fifandraisana akaiky amin’i Jesosy, ary noho izany, afaka halala-tanana toa an’Andriamanitra, ka hanasa olona hafa hahafantatra Ilay Andriamanitry ny fahasoavana rehetra.