Talata 14 Desambra 2021

Namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro ! Hoy Jesosy taminy : Satria nahita Ahy ianao, dia nino ; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:28, 29

Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, … manana fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:13

 

Iza moa Jesosy Kristy ?

Mahalana no mbola mampisalasala ny mpahay tantara ankehitriny ny fisian’i Jesosy Kristy. Izao ny adihevitra dia miompana kokoa amin’ny maha Izy Azy : Iza moa Jesosy ?

Ny dingana voalohany hamaliana izany fanontaniana izany, dia ny mihaino izay lazain’i Jesosy momba ny tenany ao amin’ny Filazantsara. Ohatra, ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, dia ahitana izao teny mahagaga nataon’i Jesosy izao : „Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jaona 10:30). Rehefa nahare izany teny izany ireo olona nihaino Azy, dia nitady hitora-bato Azy. Ary nolazain’izy ireo Azy ny antony, dia hoe : „… fitenenan-dratsy, satria olona ihany Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra” (Jaona 10:33). Tamina fotoana iray hafa, dia hoy Jesosy tamin’ireo izay nihaino Azy : „Lazaiko aminareo marina tokoa : Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8:58). Dia mbola nandray vato hamonoana Azy indray ny olona. Rehefa nilaza ny tenany hoe „Izy Aho” Jesosy, dia manome mivantana ho an’ny tenany ny anaran’Andriamanitra nampahafantarina an’i Mosesy hoe : „IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY” (Eksodosy 3:14).

Nisy lehilahy roa nanatona an’i Jesosy :

— Ny iray dia lehilahy manankarena tsy nahita an’i Jesosy afa-tsy hoe Mpampianatra tsara, azo „ifampiraharahana” hahazoana fiainana mandrakizay. Satria izany no noheveriny, dia tsy afaka nahita io fiainana mandrakizay io izy.

— Tomasy, na feno fisalasalana aza teo aloha, rehefa nahita an’i Jesosy, dia niteny taminy hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !” Noraisin’i Jesosy ny fiekeny, ka hoy Izy taminy : „Satria nahita Ahy ianao, dia nino ; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29).

Mba handraisana ny fiainana mandrakizay, dia tsy ampy ny mino hoe nisy tokoa Jesosy ary olona lavorary, fa mino ihany koa hoe Izy no Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, „Andriamanitra isaorana mandrakizay” (Romana 9:5).