Alakamisy 25 Novambra 2021

(Hoy ny Tompo tamin’i Paoly :) Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. 2 Korintiana 12:9

(Nanoratra tamin’ny Filipiana i Paoly hoe :) Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy. Filipiana 4:13

 

Raha izaho kosa, tsy hahavita izany !

Raha namaobaofy ny teny hoe : „Ampy ho anao ny fahasoavako” ity evanjelista iray, dia nanamafy fa ampy hiatrehana ny zavatra rehetra ny fahasoavan’Andriamanitra. Nony ampitso dia tonga nanatona azy ity olona iray nihaino azy, ka nanontany azy tampoka, mba hahasadaikatra azy, hoe :

— Ianao ve manana fahasoavana ampy mba ho faty maritiora ?

— Tsia, hoy ny valinteny avy hatrany. Fa ankehitriny kosa aho dia manana ny fahasoavana ampy hanatanterahako ny fivoriana nanasana ahy…

Ry kristiana, mora mitaintaina isika, mieritreritra hoe tsy maintsy handalo fitsapana sarotra zakaina. Talanjona isika mieritreritra hoe nisy maritiora maro afaka nankeny amin’ny hazo handorana azy sady nihira fiderana. Gaga isika mahita namana kristiana tony nefa hiatrika fandidiana mavesatra sy mety hahafaty. „Raha izaho kosa, tsy hahavita izany !” hoy isika anakampo.

Dia hadinontsika fa ny Andriamanitr’ireny maritiora ireny anie, na ny an’ity namantsika, dia Ilay Andriamanitsika ihany koa. Raha miantehitra aminy isika, dia tsy maintsy homeny, amin’ny fotoana tandrify, ny fahasoavana ilaina mba hamakivakina ho voninahiny ireo toejavatra alefany hihatra amintsika (1 Korintiana 10:13).

Raha omeny antsika dieny mialoha ny hery sy ny fahasahiana ilaina mba hiatrehana ny zavatra rehetra, dia ho tandindomin-doza hihevi-tena ho mafy be isika, ka hanadino fa mila Azy. Tian’Andriamanitra hiantso Azy isanandro isanandro ny zanany, na amin’ireo zavatra lehibe na amin’ireo zavatra madinika. Taominy am-pahamoram-panahy isika mba handroaka ny fanahiana ny amin’ny ampitso. „Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy”, hoy Jesosy amintsika (Matio 6:34).