Alarobia 24 Novambra 2021

Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18

 

Hainy ilay fiverenan-kira

Miasa ao amina orinasa mpanatsofa hazo any Hongrie i Tibor. Toy ny fanaony isanandro, dia mihira fihirana izy eo am-panapahana ireny vatan-kazo makadiry ireny. Ilay hira maminy indrindra dia iarahany miredona amin’ireo mpiasa manodidina azy. Sorena ilay lehibeny, ka nampitandrina azy : „Raha mbola reko mihira an’izay ianao, dia roahiko, miaraka amin’izay miara-mihira aminao”.

Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana dia mbola nihira ihany i Tibor. Tamin’izay indrindra no niditra namakivaky ny toerana iasany ilay lehibeny. Fantatr’i Tibor fa ho voaroaka izy, kanjo… tsy nino izy : namerina ny fiverenan-kira ilay lehibe. Nitodika tany amin’i Tibor izy, niteny taminy hoe : „Hitanao, nahalasa adala ahy ianao tamin’ireo zavatra notantarainao, nefa ankehitriny aho dia mino an’i Jesosy !”

Eny, ny Filazantsara dia „fahadalana amin’izay ho very”, satria tsy inoan’izy ireo. Fa ho an’izay voavonjy kosa, ny Filazantsara dia „herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino” (Romana 1:16). Ka tsy avy amin’ny fahendren’olombelona, izany, no ahafahana mahafantatra an’Andriamanitra.

Koa „ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino” (1 Korintiana 1:21).

Ampy ny fotoana kely ihainoana marina sy an-kitsimpo eo anatrehan’Andriamanitra —ary ampy ny mino-, mba hidiran’ny fahazavan’Andriamanitra ho ao an-tsaintsika, ka hanovan’io fahazavana io tanteraka ny fomba fijerintsika, ny fomba fihevitsika, ary ny fomba fiasantsika. Izany no nitranga tao anatin’ny fo feno fikomianan’ilay lehilahy : nankahala io hira io izy, nefa indro fa nihira izany tamin’ny fony manontolo, mba hiderany an’Andriamanitra.

„Izahay… mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana… dia Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra” (1 Korintiana 1:23, 24).