Talata 23 Novambra 2021

Fa izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy. Joba 3:25

Aoka ny fivavahana… no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:6, 7

 

Izay natahorako

Nanonofy ny zanakay lahy, tamin’ny herinandro lasa : nitondra ny fiarakodiany hono izy, ary nivilavila teny amin’ny arabe ilay fiara. Nony maraina dia notantarainy tamin’ny vadiny ny nofiny. Ny asabotsy, nitsangantsangana niaraka tamin’ny zanany telo izy, no nibolisatra teny amin’ny lalana mando ny fiara, ka nidona imbetsaka tamin’ny fefy fiarovana. Tsy nisy naratra izy ireo, saingy potika tanteraka ilay fiara.

Manaitra ilay fifanandrifian-javatra, nefa asehon’ny andinin-tSoratra Masina androany fa indraindray dia mitranga tokoa izay ahiantsika.

Joba dia „tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana” (Joba 3:26), ary nitranga taminy tokoa izay nahiany. Aretina naharitra elabe no nizahan-toetra ny finoan’ilay patriarka, ary nampisy fandinihan-tena lalina ara-panahy izany. Nefa nijanona ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy, ka niseho mivantana taminy Andriamanitra, nampibanjina azy ny fahalehibeazany eo amin’ny voary. Rehefa nifarana ny fizahan-toetra, dia afaka niteny i Joba hoe : „Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao” (Joba 42:5). Dia hitany ny fiadanana, ilay fiadanana omen’ny Tompo, izay tsy mba voatohintohin’ny trangan-javatra eo amin’ny fiainana, ary tonga hatrany amin’ny mandrakizay. Tsy misy intsony ny tahotra ny ampitso.

Ary ahoana ny amiko ? Misy tebiteby manenika ahy ve ? na fisalasalana, fahoriana miafina, tahotra, fanahiana ? Te hanafaka ahy ny Tompo, te handray ny vavaka ataoko, ny fiekeko heloka, ny fahasahiranan-tsaiko. Hoy Izy : „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo… Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27). Te hampitony ahy Izy, ary tia ahy ; „tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra” (Marka 7:37). Ndao hatoky Azy.