Alatsinainy 22 Novambra 2021

He ! ianareo izay manao hoe : Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay, ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra, ary hahazo tombom-barotra, … aleo manao izao : Raha sitrapon’ny Tompo. Jakoba 4:13-15

 

Andriamanitra eo amin’ny fiainako

Nisy teolojiana anglisy iray tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-20, nitantara sehon-javatra iray, nampiany famoaboasana mampandini-tena antsika, hoe : „Tapaka fa amin’ny volana avrily 1902 no hanandratana ho mpanjaka ny zanaka lahimatoan’ny mpanjakavavy Victoria. Nandeha tsara ny fanomanana, ary vonona avokoa ny zavatra rehetra ho amin’ny fankalazana manetriketrika io trangan-javatra lehibe io. Nasaina avokoa ny mpanjaka sy ny amperora maneran-tany, mba hanatrika io lanonan’ny mpanjaka io. Efa voapetraka ny fandaharana, ary ilay zanaky ny mpanjakavavy dia hasandratra amin’ny anarana hoe Edward VII, amin’ny andro sy ora voatondro mazava tsara. Saingy niditra an-tsehatra Andriamanitra, ka rava tanteraka ny fikasan’olombelona rehetra. Tratran’ny aretin’ny kambontsinay tampoka ny printsy Edward, ka nahemotra volana maro tatỳ aoriana ny fanandratana azy !

Raha tena tsapantsika ny fiandrianan’Andriamanitra, dia manery antsika izany hametraka ny fikasantsika ho araka ny sitrapony. Izy no mamaritra ny trangan-javatra eo amin’ny fiainako, ny harena na ny fahantrana, ny fahasalamana na ny aretina. Izy no mamaritra ny fetran’ny androm-piainako.”

Izao lahatsoratra izao dia tsy natao hahatonga antsika ho olona mionona na manaiky lahatra fotsiny tsy akory, fa mampahatsiahy antsika hoe Andriamanitra no tompon’ny fahefana rehetra. Tsy ny hanorisory antsika tsy akory no iriny, na ny hanala ny andraikitsika, fa kosa ny hanosika antsika hitodika aminy, hiantehitra aminy am-patokiana, hamela Azy hitantana ny fiainantsika. Izy Izay nanao sorona an’i Jesosy Kristy Zanany mba ho famonjena antsika, ahoana Izy ankehitriny no tsy hiraika amin’izay ilaintsika sy tsy hanolotra izany ho antsika, araka ny fahendreny sy ny fitiavany ?