Alahady 21 Novambra 2021

Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra. 2 Korintiana 1:3

 

Torohevitra mahasoa

Raha mbola mandeha tsara ihany koa ny zavatra rehetra, dia mora ny matoky an’Andriamanitra, ka toa miharihary fa „ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28). Nefa hatraiza izany finoana izany no miorim-paka ao am-pontsika ? Mety ho sarotra ny mifikitra amin’ny fampanantenan’Andriamanitra rehefa mandalo fitsapana, ary maro ny efa niaina izany. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : „Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra ?” (Salamo 77:9).

Ny tantaran’ny Jiosy dia ahitana tantara kely iray mahaliana, momba izany. Taoriana kelin’ny naharava ny tempoly tao Jerosalema, tamin’ny taona 70 taorianan’i Jesosy Kristy, dia nisy olona maro nijoro teo anoloan’ny kianjan’ilay tempoly rava. Tsy nisy na inona na inona intsony, tavela tamin’ny fahalehibeazan’ilay „fonenan’Andriamanitra”. Nony nivoaka avy tao amin’ny korontam-bato ity amboahaolo iray, dia nitomany izy ireo, afa-tsy iray ihany, izay toa faly.

— Ahoana no ahafahanao mifaly manoloana izao tempoly rava izao ? hoy ny olona taminy.

— Henoy ny feon’ny mpaminany : „Koa dia hasaina toy ny tanimboly i Ziona… ary Jerosalema ho tonga korontam-bato” (Mika 3:12), sy ny hoe : „Ny tendrombohitra Ziona… ikarenjen’ny amboahaolo” (Fitomaniana 5:18). Nefa niteny koa i Zakaria hoe : „Ary eny an-dàlambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dàlambe” (Zakaria 8:5). Asehon’ireo korontam-bato ireo ahy fa tanteraka ny tenin’i Mika sy ny an’i Jeremia. Koa azoko antoka fa mbola ho tanteraka ihany koa ny faminanian’i Zakaria.

Mahatoky Andriamanitra. Tanterahiny izay zavatra ampanantenainy. Efa nataony izany teo amin’ny fiainantsika, ary indrindra indrindra teo amin’ireo fotoan-tsarotra. „Koa aza manary ny fatokianareo” (Hebreo 10:35, Baiboly 2011 sy DIEM).