Asabotsy 20 Novambra 2021

Nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra ; dia hoy Izy taminy : Manaraha Ahy. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’i Jesosy. Lioka 5:27-29

 

Nanao fanasana lehibe ho Azy i Levy (2)

Ny sakafo voalohany ampahatsahivin’i Lioka, dia ilay nanasan’i Levy an’i Jesosy. Rehefa nantsoin’i Jesosy i Levy, dia nandao ny zavatra rehetra, ny asany, ny fahazarany, ka nanaraka Azy. Ny nataony voalohany tao amin’io lalam-baovao io, dia fanasana ho an’i Jesosy. Olona maro isan-karazany no tonga tamin’izany fiaraha-misakafo izany… izay fety ho fanajana an’i Jesosy.

Ny Fariseo (anarana midika hoe : ireo „tafasaraka”), izay mpivavaka afa-po amin’ny tenany, dia tsy afaka hieritreritra hoe hiara-misakafo amin’ireto olona tsy manaraka amin’ny antsipiriany ny Lalànan’i Mosesy. Nijery izy ireo ary nimonomonona : „Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ? Ary Jesosy namaly azy ireo hoe : Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ; tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka” (Lioka 5:30-32).

Ny valintenin’i Jesosy dia nitondra fahazavana tsy nampoizina, momba ny asa nanirahana Azy. Ny tanjony mantsy dia ny hamonjy sy hanasitrana ireo izay marary. Ireo izay manao ny tenany ho salama dia tsy mihevitra ho mila mpitsabo ; fa manatona an’i Jesosy kosa ireo izay mahafantatra ny tenany ho marary.

Dia toy izany koa, eo amin’ny sehatry ny finoana : ny dingana voalohany mba hihaonana amin’i Jesosy, dia ny mahafantatra fa marary isika, izany hoe mahatsapa fa diso, sady tsy nahomby ara-toe-panahy. Ny faharoa dia ny fatokiana an’i Jesosy mba hanomezany antsika ny famelan-keloka sy ny fahamarinana, ary hanafahany antsika tsy hiharan’ny fitsarana. Manaraka izany, toa an’i Levy, dia ndao hizara amin’ny hafa ny fifaliana satria manana an’i Jesosy, hizara izany amina fanasana hiara-misakafo, famakiana Baiboly, fihaonana mba hivavaka. Ndao hangataka amin’ny Tompo mba hanokafany varavarana ho antsika.