Zoma 19 Novambra 2021

(Hoy Jesosy :) Efa renareo fa voalaza hoe : „Maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify”. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Aza manohitra izay manisy ratsy anao ; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. Matio 5:38, 39

Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44

 

Tsy misy manana trosa amiko (2)

Araka ny hitantsika omaly, dia taomin’i Jesosy isika mba tsy hitaky trosa, na ara-toe-panahy, na ara-bola koa aza, fa mba hanafoana ireny. Na olona nanao ratsy ahy, na olona nasiako soa, dia tsy tokony hoheveriko hoe ananako trosa. Fantatro, satria niainako, fa tsy mora izany sady tsy mandeha ho azy. Misy famingavingana tena lalina, ka tena maharary… Ny Tompo irery no afaka manampy ahy hamela heloka. Tsy Izy mihitsy ve no efa maty teo amin’ny hazofijaliana mba hamafa ny fahotako, noho ny fitiavany lehibe ?

Eny, ny trosa nananan’Andriamanitra tamiko dia efa nefain’i Kristy, noho ny fitiavany ahy sy ny fitiavany an’Andriamaniny. Jesosy dia nivavaka ho an’ireo izay nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Ary rehefa avy niaritra ny famaizana ny fahotantsika Izy, dia niteny hoe : „Vita” (Jaona 19:30). Tamin’izany vanimpotoana izany, io teny io dia nosoratana (amin’ny teny grika) teo amin’ny taratasin-trosa voaloa. Jesosy no nanefa ny trosantsika rehetra (Romana 3:22), ary izany no antony amelan’Andriamanitra maimaimpoana ny helok’izay mangataka ny famindrampony, mba hamelany ny fahotany. Mameno ny fon’ny mpino ny fitiavan’Andriamanitra, ka omen’ny Fanahy Masina hery izy mba hamela heloka ihany koa.

Rehefa mahafantatra io fitiavana io isika, dia mahatakatra ny lazain’ireo andinin-tSoratra Masina androany ireo, izay mety ho nanaitra antsika. Izy ireo dia manokatra lalam-pahafahana ho antsika, manohitra ny kajikajintsika, ny fiarovan-tena, ny fitakiana, ary mahatonga antsika ho faly, satria mitia marina sy malalaka ary maimaimpoana ny namantsika, toy ny nitiavan’i Jesosy antsika.