Alakamisy 18 Novambra 2021

Ary ny tompon’izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. Matio 18:27

Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Matio 6:12

 

Mamela ny trosa rehetra (1)

Rehefa miresaka momba ny famelan-keloka Jesosy, dia matetika mampiasa ny kisarisarin’ny famoizana trosa. Manampy antsika hamela heloka izany kisarisary izany. Rehefa misy olona manao ratsy ahy mantsy, dia raisiko hoe ananako trosa izy, ka noho izany aho dia manana zo hitaky fanonerana aminy, ary hampizaka azy mihitsy izay nataony tamiko aza. Tsy mandamina na inona na inona nefa izany fijery izany, fa vao mainka aza mamelona ny fangidiana ato anatiko.

Marina ihany koa fa misy fahamarinana tokony hotanterahina, ary ara-drariny izany. Saingy isika ve tokony hanao fitsarana ho an’ny tenantsika ? Tsia ! satria hiteraka lolompo hafa indray izany, ka tsy vahaolana.

Taomin’ny Tompo Jesosy isika hametraka ny adintsika amin’Andriamanitra sy hamela Azy hamerina indray ny fahamarinana. Tsy mametraka fe-potoana, na fanavahana, ny vavaka ampianarina ao amin’ny Filazantsara, hoe : „Mamelà ny helokay —ny helokay rehetra- tahaka ny namelanay izay meloka taminay”. Jesosy mihitsy no „nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2:23). Ny hoe tsy mamela heloka dia midika hoe mitahiry ireo taratasin-trosa mirakitra ny heverintsika hoe tsy rariny natao tamintsika. Mampitony kokoa, ary marina kokoa, ny mametraka ny zava-drehetra amin’ny Tompo.

Ary koa, rehefa manala izany vesatra izany, mamela ny trosa, dia mahita fifandraisana feno fiadanana indray amin’ny namantsika. Ho amin’izany no tian’ny Tompo Jesosy hitondrana antsika, ary izany no lalan’ny fahafahana.

(hitohy rahampitso)