Alarobia 17 Novambra 2021

Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona, … fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo. Kolosiana 3:23, 24

Fa nisy anjelin’Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina ka nanao hoe : Aza matahotra. Asan’ny Apostoly 27:23, 24

 

Andriamanitra Izay Tompoko sady tompoiko

Vaovao ratsy, toy ny vara-datsaka, anikeheo maraina : namory ny sampan-draharaha ny lehibenay, ka tankina izahay mpiara-miasa, nilazany fa androany no fotoana farany ahatongavany ao amin’ity orinasa niasany nandritra ny roapolo taona mahery. Nofoanana mantsy ny toerany ao. Nekeny izany, ary nofeheziny ny fihetsehampony. Nirary soa ho anay izy. Niambakavaka izahay nilaza teny vitsivitsy taminy, dia nitsangana nitehatehaka azy. Niala tam-panetrentena sy tam-pahamendrehana izy, dia efa tsy teo amin’ny biraony sahady.

Ary izaho, inona no hanjo ahy ? Nandefa hafatra ho ahy ny vadiko : „Aza matahotra, na kely aza, momba ny asanao. Ilay Andriamanitra tompoinao, hametraka anao eo amin’izay toerana tiany ho anao !”

Ny olana arak’asa dia lohahevitra resahina imbetsaka ao amin’ny Baiboly. Resahina ao ilay mpitandrim-pananana noroahina satria ratsy fitantana (Lioka 16:2). Soritana ny amin’ireo mpiasa tsy nanan-katao, niandry teny an-kianja satria tsy nisy nampiasa azy ireo (Matio 20:7). Jakoba nohararaotin’ny rafozan-dahiny dia niasa tsy ankijanona : „Nony antoandro matin’ny hainandro aho, ary nony alina dia matin’ny fanala ; ary nandositra ny masoko ny torimaso. Izao roapolo taona izao… no nanompoako anao… ary efa nanova ny karamako impolo ianao” (Genesisy 31:40, 41).

Ry kristiana, aoka isika hisaintsaina indray ilay tenin’ny apostoly hoe : „Andriamanitra Izay Tompoko sady tompoiko” (Asan’ny Apostoly 27:23). Izy no tena lehibentsika, tsy misy na inona na inona afaka hanjo antsika, raha tsy omeny lalana. Mahafantatra izay ilaintsika Izy, ary tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana. Ary raha omeny asa isika, dia aoka hankatò ireo lehibentsika, „tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo” (Kolosiana 3:22).