Talata 16 Novambra 2021

Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Ianao. Salamo 30:2

Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. Jeremia 17:7

 

Nitsabo ny feriny aho, fa Andriamanitra no nanasitrana azy

Io lohateny io dia tenin’i Ambroise Paré, mpitsabo nalaza tamin’ny taonjato faha-16. Izy dia heverina ho isan’ireo mpamorona ny fandidiana môderina. Io fehezanteny notononiny io dia manoro antsika ny fihetsika tsara hananana, manoloana ny fitsaboana.

„Nitsabo ny feriny aho”, izany hoe, nikarakara azy. Ny dokotera na ny mpandidy dia nianatra hahafantatra ny fambara aretina isan-karazany, ary miezaka hitsabo izany araka izay azo atao. Tombontsoa tokony hankasitrahintsika ny fahafahana mampiasa ny fahaizan’ny mpitsabo. Ary ny kristiana manao ireo asa ireo dia afaka maneho ny toetran’ny Tompo Jesosy : halemem-panahy, fiahiana, fahamarinana…, toa an’i Lioka evanjelista, izay nantsoin’ny apostoly Paoly hoe : „Lioka malala, mpanao fanafody” (Kolosiana 4:14).

„Fa Andriamanitra no nanasitrana azy” : ny dokotera dia mitsabo, nefa Andriamanitra no mifehy ny zava-drehetra ; samy avelany hitranga na ny aretina sy ny loza, na ny fahasitranana. Isika rehetra, na mpitsabo na marary, dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa an’ny Mpahary ny aina ary Izy no mifehy ny trangan-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika.

Nanome tsiny an’i Asa mpanjaka ny Tenin’Andriamanitra, hoe : „Nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany” (2 Tantara 16:12). Tsy izy nanatona mpitsabo tsy akory no nanomezana tsiny azy, fa izy nanadino an’Andriamanitra, tsy nitady ny tanjony sy ny sitrapony, tamin’ny alalan’ny vavaka. Ndao handray am-pankasitrahana ny fitsaboan’ny dokotera, nefa alohan’izany, ary indrindra indrindra, ndao hatoky Ilay Andriamanitra tia antsika sy mikatsaka ny mahasoa antsika.