Alatsinainy 15 Novambra 2021

Fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

Maty hamonjy ny olona rehetra Izy (Kristy), mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 2 Korintiana 5:15

 

Voahidy tao anatina fonja aho

Mpitendry gitara tao amina tarika mpanao mozika rock izy, namorona raki-kira maro natonta an-tapitrisany, nefa dia niankin-doha sy voagejan’ny fisotro mahamamo sy ny zava-mahadomelina mahery. Nindraindrain’ny tanora izy, nanana ny harena, ny voninahitra, nefa indray andro dia tafalentika tao anaty harerahan-tsaina lalina, ary tsy afaka nampihena izany ny fiankinan-dohany amin’ny zava-mahadomelina. Namoy fo izy, tsy afaka nivoaka tamin’izany fanandevozana izany, ka farany dia niantso an’Andriamanitra tamina vavaka feno hafanam-po, ary tonga sambatra nifanena tamin’i Jesosy Kristy, Izay nanafaka azy tamin’ny fiankinan-dohany.

Koa nanambara ampahibemaso izy fa nisafidy hanaraka an’Andriamanitra. Taoriana-na taona maro niainany ny fiainana kristiana, dia nohararaotiny ny fotoana rehetra hijoroany ho vavolombelon’ny herin’i Kristy eo amin’ny fiainany. Notantarainy ny efa naha potika tanteraka ny fiainany, sy ny fomba nanafahan’ny fitiavan’i Jesosy azy tamin’ny fanagejan’ny zava-mahadomelina sy fisotro mahamamo nanandevo azy.

Hoy izy : „Voahidy tao anatina fonja aho, nandritra izany fiainana nogejain’ny fiankinan-doha izany. Nisy ampahan’ny tenako, te hijanona tao amin’io fonja io, tsy te ho afaka tao. Ny ampahany iray kosa te hivoaka tao. Saingy tsy afaka aho. Teny iray nataon’i Jesosy no nanafaka ahy tao amin’ny fanagejana nisy ahy ; tonga Izy mba hamoha ny varavarana ho ahy, ary nitaona ahy mba hivoaka. Ny zava-mitranga amin’io fotoana io, dia Izy maneho aminao ny fitiavany, ka rehefa tsapanao ao anatinao io fitiavana io, dia mampirisika anao : te hanjary afaka ianao, ho anao sy ho Azy. Satria, raha ny marina, dia miteny aminao Izy hoe : „Maty aho mba hanafaka anao”.”

(araka ny tantaram-piainan’i Brian Welch)