Alahady 14 Novambra 2021

Lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy. Joba 36:26

Anao, Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. 1 Tantara 29:11

 

Lehibe Andriamanitra

„Tsy lehibe Andriamanitra”, hoy ny lohateny-na boky iray nitadiavan’ny mpanoratra azy hanaporofoana fa tsy misy Andriamanitra. Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa ny Baiboly, manambara ny fahalehibeazan’Andriamanitra : „Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô ; lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao. Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena ! Fa mendrika Anao izany” (Jeremia 10:6, 7). Nanaporofo ny fahalehibeazany Andriamanitra, tamin’ny nahariany izao tontolo rehetra izao ; Izy tokoa mantsy no „Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny, sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny, ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany” (Jeremia 10:12). Raha toa isika mandà izany porofo azon’ny rehetra jerena izany, na tsy manome voninahitra an’Andriamanitra, dia mihitsoka ao anatin’ny maha zava-poana ny fisainantsika, ary manolo-tena ho amin’ny filan’ny fontsika (Romana 1:21-24).

Nefa mbola mahatalanjona kokoa ny fomba nampahafantaran’Andriamanitra ny tenany, tamin’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Voalaza momba an’i Jesosy, Izay naterak’i Maria virijina, hoe : „Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra” (Lioka 1:32). Ny fiainany manontolo dia nanaporofo ny fahalehibeazany. Gaga tamin’ny herin’Andriamanitra ny vahoaka, rehefa nahita ireo fahagagana nataony (jereo Lioka 9:43).

Fa mihoatra noho ny zava-drehetra, dia ny halalin’ny fitiavany no mba tokony hekentsika. „Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika” (1 Jaona 3:16). Hoy ny Baiboly amintsika : Andriamanitra dia „be famindrampo sy fahamarinana, … mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana” (Eksodosy 34:6, 7). Aza misy manamavo „ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka” (Romana 2:4).