Asabotsy 13 Novambra 2021

Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ? Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe : Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary… ; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota. Matio 9:11-13

 

Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay (1)

Ny apostoly Petera dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesosy : „Niara-nihinana sy nisotro taminy [izahay] rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy” (Asan’ny Apostoly 10:41). Ao amin’ny Baiboly dia matetika Andriamanitra no manasa ny olony hiara-misakafo eo anatrehany. Hitantsika izany resaka sakafo izany, manomboka any amin’ny fiandohan’ny Baiboly (Genesisy 18:8 ; 24:54… ; Eksodosy 24:11…) ka hatrany amin’ny fampanantenan’i Jesosy hiara-hihinana aminy any amin’ny fanjakany (Lioka 22:30). Izany dia ahitantsika taratra kely momba ny fiombonana irin’Andriamanitra hananana amin’ny mpino.

Lioka dia nanantitra ny maha olona an’i Jesosy, ka nilaza matetika ny sakafo niarahan’i Jesosy nihinana tamin’ireo izay nanasa Azy, na inona na inona mety ho faharesen-dahatra ara-pivavahana na antony nanosika azy ireo. (Horesahina izany, amin’ny asabotsy enina manaraka.) Nekeny ny fampiantranoan’ireo namany, tahaka an’i Marta sy Maria ary Lazarosy (Lioka 10:38), ny fanasan’ny mpamory hetra, izay nankahalain’ny olona, mbamin’ny fanasan’ny Fariseo, izay tsy nino Azy. Fantatra tsara izany fihetsik’i Jesosy izany, hany ka niantsoana Azy mihitsy hoe „olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota” (Lioka 7:34).

Izay marina fony Jesosy tetỳ an-tany, dia mbola marina mandraka ankehitriny. Miandry antsika hanasa Azy Jesosy, ary manaiky ny ho tonga ao amintsika. Tsy mba mahatalanjona ve izany ? Manohina fatratra ny tenin’i Jesosy miantefa amin’ny tsirairay, ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, hoe : „Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20). Jesosy dia miandry eo am-baravaran’ny fiainantsika. Izao no atao hoe finoana, dia ny mamoha varavarana, hidiran’i Jesosy, Izay miantso.

(hitohy amin’ny heriny)