Zoma 12 Novambra 2021

Nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nanaovany hoe : Fiadanana, fiadanana ; kanjo tsy misy fiadanana tsinona. Jeremia 6:14

Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny harenan’ny fiadanana sy ny fahamarinana. Jeremia 33:6

 

Fitsaboana marary

Fantatry ny tsirairay fa rehefa hitsabo fery, dia tokony hanomboka amin’ny fanadiovana azy tsara. Mihafeno otrikaretina ny fery, raha tsy voadio tsara. Amin’izay dia tsy maintsy esorina ny fanakonam-pery ary diovina lalindalina kokoa ilay fery. Hijaly kokoa ilay maratra, ary hiha ela vao hikatona ny fery.

Ny Tenin’Andriamanitra dia manao safeli-teny milaza izany fitsipika fototra tsotra izany. Ny mpino dia ohariny amina ondry mety haratra ka mila tsaboina fery. Ny fery na ny ratra, ao anaty Baiboly, dia mampahatsiahy fijaliana, na koa toerana ratsy ara-toe-panahy. Ny hoe manadio fery dia mampihatra aminy ny Tenin’Andriamanitra, izay manadio lalina, mba hanafoanana ny fototry ny ratsy. Eo koa, raha ivelambelany fotsiny ny fanadiovana, na atao maimaika ny fitsaboana ilay fery, dia hihafeno otrikaretina. Hiharatsy ilay fery, ilaina ny „hanokatra indray”, izany hoe hiverina amina toejavatra mampangirifiry ; dia hihemotra ny fotoana hahasitranana.

Mifanohitra amin’izany kosa, izay ratra nahazo ny fitsaboana sahaza dia tokony hosaronana sy harovana, mba hanolatra. Raha „averintsika sokafana” tsy an-kijanona ny ratra ao amina mpino, izany hoe iverimberenana ireo zavatra efa nalamina, dia hampijaly azy tsy amin’antony isika. Koa ndao àry hifampikarakara am-pitandremana fatratra. Ndao hangataka amin’ny Tompo, Ilay „Mpiandry ondry lehibe” (Hebreo 13:20), ny fahendrena ilaina mba hitsaboana ireo ondriny araka ny tokony ho izy. Aza mitsabo maimaika ny fery mbola tsy nodiovina tsara akory, nefa koa aza miverimberina manadio fery efa tokony horakofana…