Alakamisy 11 Novambra 2021

Izaho no Jehovah Izay… mampihemotra ny olon-kendry, ka mampody ny fahalalany ho fahadalana. Isaia 44:24, 25

 

Finoana sa tsy finoana

I Damaris dia nampianarin-dreniny hivavaka sy hametraka ny tenany amin’Andriamanitra. Nivavaka betsaka ho an’io zanany vavy io ilay reniny. Ny rainy, izay mpampianatra tany amin’ny oniversite, dia mpiteny hoe : „Ny olona tsirairay dia afaka mamonjy ny tenany araka izay itiavany azy. Manaova izay tsara, ary aza matahotra an’iza na iza. Izaho manokana dia tsy afaka hino an’Andriamanitra, ary mety tsara amiko izany.”

Nihevaheva teo anelanelan’ny ray aman-dreniny i Damaris, ka tsy nahavita nanapa-kevitra. Rehefa 17 taona izy dia narary ; tsy hay sitranina ilay aretiny. Nivavaka ny reniny mba hahazo hery, ary nitalaho tamin’Andriamanitra mba hino Azy ilay zanany. Ny rainy, tsy nahazaka izany fitsapana izany, ary lany hery tanteraka.

Indray andro, nipetraka teo anilan’ny fandrian-janany ny ray aman-dreniny, ary hoy i Damaris tamin’ny rainy : „Fantatrao fa efa ratsy be izao ny toe-pahasalamako. Koa lazao ahy hoe iza no manana ny marina, ianao sa i neny ? Misy Andriamanitra ve, na Mpamonjy koa aza ? Misy fiainana mandrakizay ve ? sy fanantenana ny mbola hihaonantsika ? sa tsy misy an’izany rehetra izany ?”

Nivaloharika ilay ray, niady mafy tao anatiny. Noraisiny tampoka ny tanan-janany, ary kendakenda feo izy, niteny hoe : „Tsy nino aho. Nefa ankehitriny aho dia mitalaho aminao : Raha azonao atao, dia minoa an’i Jesosy, toy ny reninao ! Hitako izao fa misy fotoana tsy ahafahana miaina, raha tsy misy ny finoana.”

Taoriana-na ady anaty maro, dia nasehon’i Damaris fa nitoky tamin’i Jesosy izy, nasehony fa Mpamonjiny i Jesosy. Zavatra tokana sisa no niriny, dia ny hahita indray ny rainy any an-danitra.

(araka ny „Näher zu Dir” 2016)