Alarobia 10 Novambra 2021

Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra… Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe : Tompoko, Tompoko… Ary dia hambarako aminy marimarina hoe : Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay. Matio 7:21-23

Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:31

 

Avia àry ianao babeko !

Ny 30 jona 1859 i Jean-François Gravelet, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Charles Blondin, mpandeha an-kinarinarina eny ambony tady, dia niampita ny riam-baton’i Niagara teo ambony tady mirefy 330 metatra, nanoloana mpijery anarivony feno fientanam-po. Namerimberina izany impito ambin’ny folo izy, ary nanovaova ny zavatra nataony : nanao tongo-kazo, nanosika borety, niantsoroka gony, nanao tsambikina mety hampidi-doza, sns. Nanontany mpijery iray teo anivon’ny vahoaka hono izy, hoe : „Mino ve ianao fa afaka miampita miaraka amina olona iray eny am-babeko aho ?” Nafana fo erỳ ilay rangahy, nanaiky.

„Avia àry ianao babeko”, hoy i Blondin, namaly. Nefa nandà tanteraka ilay lehilahy. Nino ny fahaizan’ilay mpitaingin-tady izy, saingy tan-tsaina fotsiny ny fatokiany, fa tsy nahakasika azy manokana. Tsy vonona izy hametraka ny ainy eo am-pelatanan’i Blondin.

Io lehilahy io dia mampahatsiahy antsika ireo olona mafana fo rehefa resahina momba an’i Jesosy Kristy. Antsoiny hoe „Ilay Mpamonjy izao tontolo izao” Jesosy, ary tena hajainy fatratra. Saingy rehefa hoe hanolo-tena sy hametraka aminy ny fiainany, dia tsy misy olona hita intsony eo.

Zavatra iray ny mino fa Jesosy Kristy no „Ilay Mpamonjy, maty noho ny fahotan’izao tontolo izao”. Fa zavatra hafa tanteraka kosa ny mino Azy ho an’ny tena, sy ny mametraka aminy ny momba ny fahotanao sy ny famonjena anao. Tsy hamonjy anao mantsy ny finoanao, raha an’eritreritra fotsiny fa tsy mampiditra lalina anao !

Matokia an’i Jesosy Kristy ho anao manokana ; minoa Azy, dia hanafaka ny fanahinao izany. Izy no hitondra anao hiampita ny hantsana kisarisarin’ny fahafatesana, mandra-pahatonganao soa aman-tsara eny ampita, dia any amin’ny fiainana mandrakizay.