Talata 9 Novambra 2021

Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava. Isaia 61:1

 

Voafidy mba hanompo an’Andriamanitra any an-tranomaizina (2)

Hafatra nampitaina kristiana nenjehina

„Rehefa naiditra tany am-ponja aho, dia niharana fakana ambavany mahery vaika, nandritra ny ora maro. Nony farany aho dia nentina tany amina efitrakely maloto, izay efa nisy voafonja hafa. Andian’olona mahavaky fo, maloto, ary mosarena no tao. Tampoka teo izy ireo dia nanjary mpiara-miaina amiko mandritra ny fotoana tsy voafaritra.

Nijery ahy ity lehilahy iray, ary nanontany ahy hoe : „Naninona ianao no eto ?” Izaho koa aza mba nanontany tena ny amin’izany. Tsy nisy antony hafa, ankoatra ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy.

Dia takatro, tamin’izay, fa napetraky ny Tompo teo anivon’ireo voafonja ireo aho, satria tsy nanana fanantenana izy ireo, tao. Tsy hanoanana ara-batana ihany no nampijaly azy ireo, fa hanoanana ara-panahy koa. Nanomboka niresaka momba ny finoako an’Andriamanitra aho, ary tsy nampino ny fihetsik’izy ireo !

Ny roa tamin’ireo voafonja ireo dia kristiana kivy. Raha vao nanomboka niresaka momba ny fitiavana sy ny famelan-keloka aho, dia iny fa nitomany izy ireo. Nandohalika izy ireo, niaiky ny fahotany ary nandrotsaka ranomaso mangidy vokatry ny fibebahana. Tao anatin’ny telo volana nanaraka, dia voafonja maro no nandray ny Mpamonjy.

Niova ho toerana mamirapiratra ilay efitrakely maizimaizina sy maloto ary maimbo. Lehibe aoka izany ny fiovana, ka mpiambina roa lahy koa aza no nandray ny Tompo. Io toerana fandrenesana teny ratsy io dia niova ho toerana masina, feno hira fiderana sy fanantenana.

Afaka mitondra voa avokoa isika rehetra, eo amin’izay toerana misy antsika. Ho voninahitr’Andriamanitra sy ho famonjena ny hafa.”

Rahalahy Jacob (Mozambika)