Alatsinainy 8 Novambra 2021

Nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe : Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay ? Dia hoy izaho : Inty aho, iraho aho. Isaia 6:8

Hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny ? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory ? Romana 10:14

 

Voafidy mba hanompo an’Andriamanitra any an-tranomaizina (1)

Hafatra nampitaina kristiana nenjehina

„Sahiran-tsaina mafy aho tamin’ny olana sedrain’ireo mpiray tanindrazana amiko, izay niaritra fijaliam-be teo ambany fitondram-panjakana jadona. Nisy mpitoriteny novonoina, kristiana naiditra an-tranomaizina, Baiboly nodorana.

Nanapa-kevitra aho hitsidika ireo kristiana niaina tany amina toerana mitoka-monina, mba hampahery azy ireo sy hanome azy Baiboly vaovao. Voatery nandeha fiarakodia aho, ary niara-dalana tamina fiara nitanjozotra, mba handeha any amin’ny iray tamin’ireny toerana ireny, satria tandindomin-doza loatra raha mandeha irery. Voasakana teo amina toeram-pisavana iray ny tanjozotra. Nosamborina miaramila vitsivitsy mitam-basy aho. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra nananako : ny fiarako, ny kanonkanona ahy manokana, ny volako ary ny Baiboly rehetra. Dia nasainy niakatra tao anaty fiarakodiana miaramila aho ary nentiny tany am-ponja.

Ny fanontaniana voalohany napetrako tamin’Andriamanitra dia hoe : ”Fa nahoana, ry Tompo, no izaho ? Te hanompo Anao aho, nefa ahoana no hahafahako manompo Anao any am-ponja ?„

Dia tsaroako ny fihaonako tamina mpitoriteny vitsivitsy tao amin’io faritra io. Sahiran-tsaina mafy izy ireo momba ireo olona maro naiditra am-ponja. Nanapa-kevitra izahay hivavaka sy hangataka amin’Andriamanitra mba hameno fitiavana olona iray ho an’ireo voafonja ireo, ary mba handefa azy io ho any amin’izy ireo, hitondra ny Filazantsara manambara ny famonjena. Tamin’izay fotoana izay aho dia mbola tsy tonga saina hoe izaho no ilay olona hitondra ny Filazantsara ho azy ireo. Isika dia mety hanjary valin’ny vavaka izay isika ihany no manao azy.”

(hitohy rahampitso)