Alahady 7 Novambra 2021

Nandeha Izy (Jesosy) mbamin’ny mpianany ka nita ny lohasahandriaka Kidrona ; ary nisy saha teo, izay nidiran’Izy sy ny mpianany. Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ny mpianany. Jaona 18:1, 2

 

Nahalala ilay toerana i Jodasy

Jesosy Kristy dia Andriamanitra, nefa koa olom-bavaka fony tetỳ an-tany. Nampiseho ohatra tamin’ireo mpiara-dia taminy Izy, ary nampianatra azy ireo hivavaka (Lioka 11:1-4 ; 22:39, 40). Matetika Izy, rehefa nandalo tao Jerosalema, no nitondra ny mpianany tao amina saha iray teo amina havoana nahatazanana ny tanàna. Tao Izy dia niara-nivavaka tamin’izy ireo sy nampianatra azy ireo. Anisan’izany vondron’olona izany i Jodasy. Izy koa dia mpankany amin’io saha io ary nanatrika ireo fotoana nisy fifandraisana mamy sy fiombonana ireo. Niaraka tamin’ireo izy, fa ny fony kosa tsy teo. Nandre an’i Jesosy nanambara ny hafatra avy amin’Andriamanitra izy. Na izany aza anefa, rehefa nitady ny fomba hisamborana an’i Jesosy ny lohandohan’ny Jiosy, dia nekeny ny hamadika Ilay Mpampianatra azy, tamin’ny vola sekely telopolo…

Fahazarana tsara ny manana fotoana sy toerana hivavahana. Fahazarana tsara ny manatrika fanompoam-pivavahana amakiana ny Baiboly. Fantatsika ny toerana… saingy aiza ho aiza ny fontsika ? Ahoana ny fifandraisantsika lalina amin’i Jesosy Kristy ? Fantatr’i Jodasy ilay toerana, nefa tamin’ny oroky ny mpamadika no nanondroany an’i Jesosy tamin’ny vahoaka nirongo fiadiana nanaraka azy tamin’ny alina…

Marobe ianareo, ankizy sy tanora, miaraka amin’ny ray aman-dreninareo any amina toeram-pivavahana, ny alahady : zavatra tsara izany, tombontsoa, fahazarana mahasambatra. Nefa ve ianareo hijanona lavitra an’i Jesosy, tahaka an’i Jodasy, sa hifikitra marina amin’i Jesosy mba hivavaka aminy, hihaino Azy, hitsaoka Azy ?