Asabotsy 6 Novambra 2021

Ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay. Isaia 40:8

Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko ; velomy aho araka ny teninao. Salamo 119:25

 

Ny teninao no namelona ahy

Misy salamo iray manontolo ao amin’ny Baiboly, natokana mba hanehoana ny tokony ho toeran’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ny salamo 119 io, toko lava indrindra ao amin’ny Baiboly ; ary vavaka izy io. Ny ankamaroan’ireo andininy 176 dia milaza ny Soratra Masina amina anarana samihafa. Mahasoa ny mifantoka mamaky io salamo io.

Ny Tenin’Andriamanitra no mihazona, amina fomba azo antoka, ny fiombonana amin’Ilay Andriamanitra fitiavana, Ilay Andriamanitra velona sy marina. Ny hafatra entiny dia miantefa amin’ny tsirairay, na firy taona izy na firy taona, ary na manao ahoana na manao ahoana ny toe-po amam-panahiny. Io salamo io dia mitaona antsika hanafina, izany hoe hampamaka ny Tenin’Andriamanitra ao anatin’ny fontsika, hitadidy andalan-tSoratra Masina sahaza, ho „fiadiana” ho antsika amin’ny „andro mahory”, amin’ny andro hiavian’ny fakam-panahy (Efesiana 6:13, 17). Raha hazoniko tsara ireo fampianarana ireo, dia hanjary „fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako” (and 105), ao anatin’izao tontolo maizina ara-panahy izao. Amin’ny andro fitsapana dia hahita fampaherezana lehibe ao amin’izy ireo ny kristiana : „Izao no mampionona ahy amin’ny fahoriako : ny teninao no mamelona ahy” (and 50).

Ny Tenin’Andriamanitra dia loharano mahatonga ho talanjona eo ambany mason’Andriamanitra : „Mahagaga ny teny vavolombelonao, ka dia mitandrina azy ny fanahiko”. Koa hahita fifaliana lehibe aho, mamaky azy : „Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao, ka manome fahalalana ho an’ny kely saina” (and 129, 130). „Ny teny vavolombelonao… [no] fifalian’ny foko” (and 111).