Zoma 5 Novambra 2021

Ny Tompo… hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny fikasan’ny fo. 1 Korintiana 4:5

 

Tsara endrika ivelany

Tamin’ny taona 2016 dia voatery nanapaka hazo lehibe tsara tarehy iray ny sampan-draharaha mikarakara ny toerana maitso any Genève (any Suisse). Nokikisana holatra mantsy ilay hazo. Nahoana no dia nokapaina io hazo io, nefa hazo tsara tarehy aoka izany ? Natahorana hianjera ho azy izy io, noho ny havesany, sady mety namindra aretina amin’ny hazo manodidina.

Toy io hazo io, ny fijery antsika dia mety hahafinaritra ny olona manodidina antsika. Nefa ve ny fihetsika asehontsika etỳ ivelany, tsy matetika no manafina tsiambaratelo tena ratsy ao anatintsika ao ?

Fony tonga tetỳ an-tany Jesosy, dia tsy nitady hanaitra olona. Izy dia niaina toy ny olona „tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy” ; tsy nisy, teny aminy, endrika ivelany nety nahasarika ny maso (Isaia 53:2). Ny nanaitra dia ny teniny sy ny asany, izay nitory fahatsaram-po tena izy. Nahatratra ny tanjony mandrakariva ny teniny, ary nahatanteraka fanafahana lehibe.

Tsy mitovy amin’ny fijerin’ny olona ny fijerin’ny Tompo ny zavaboariny tsirairay. Ny olona dia tsy mahita afa-tsy ny miseho eo ivelany, fa Izy kosa mijery ny fo. Nefa, hoy Izy, „ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo” (1 Samoela 16:7 ; Jeremia 17:9, 10). Io fo io dia „kikisan”’ny lainga, ny avonavona, ny fankahalana, ny ratsy. Andriamanitra ve hanao amin’ny olona toy ny nataon’ilay mpikarakara zaridaina tany Genève ? Tsia ! fa asainy isika hanatona an’i Jesosy. Tsy haintsika esorina amin’ny herin’ny tenantsika samirery ny ratsy ao anatintsika ; fa nandamina ny momba izany kosa Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, tamin’ny nanolorany ny ainy lavorary mba ho sorona. Izay mino Azy dia efa voasasa, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny anaran’ny Tompo Jesosy sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika (1 Korintiana 6:11).