Alakamisy 4 Novambra 2021

Ianareo… dia mpanompon’izay arahinareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ny fahamarinana. Romana 6:16

Manafaha anay amin’ny ratsy. Matio 6:13

 

Ireo fatorantsika

Ny hery „mihoatra noho ny an’olombelona” nomen’Andriamanitra an’i Samsona dia nahazoany fahafahana tsy fahita firy. Saingy nanararaotra izany fahafahana izany izy, ka nanaiky ho voafatotry ny ratsy (Mpitsara 16).

Ary isika mpino, mba manao ahoana ? Kristy, teo amin’ny hazofijaliana, dia nandresy an’i Satana. Ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia manaporofo fa nofoanany ny fahefan’ilay nanana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly (Hebreo 2:14). Midika izany fa raha mino ny sorona nataon’i Kristy aho, dia manana fiainana ao anatin’ny tena fahafahana. Impiry anefa aho no mahita ny tenako ho toa an’i Samsona ! Eo amin’ny fiainako ve tsy misy fatotra napetrako na navelako hapetraka amiko, fatotra fantatro tsara fa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ? Ireny fatotra ireny dia manakana ahy tsy hiaina ny fanafahana feno omen’i Jesosy ahy. Izy ireny dia miforona ao anatin’ny foko, amin’ny alalan’ny fitsiriritana avelako hitombo. Toa tsy maninona loatra, indraindray, eo am-piandohana, nefa ny sitrapoko manokana no miasa fa tsy ny an’Andriamanitra. Rehefa mahatsapa izany aho vao malahelo mafy.

Rehefa mandresy ahy ny ratsy, dia manaisotra ny fifaliana hitako ao amin’i Kristy, satria manome tsiny ny tenako aho, noho ireo fahalemeko.

Koa inona àry no hatao ? Hiraviravy tanana ve, ka hiteny hoe efa fantatr’Andriamanitra tsara fa malemy aho ? Tsia, tia ahy loatra Andriamanitra, ka tsy hamela ahy ao anatin’izany toejavatra izany ; te hanasoa ahy Izy. Mahereza àry ! Andriamanitra dia manome ny hery handavana na handosirana izay zavatra mitaona ahy hanota. Fifaliana toa inona moa ny hoe mandresy amin’ny alalany !

Nifanohitra tamin’izany ny nataon’i Samsona, fa nikimpy maso izy, tsy hijery ireny fatotra tsy tiany ho hita ireny, mandra-paha tara loatra. Very ny fahafahany, teo amin’ny fiainany tetỳ an-tany.