Alarobia 3 Novambra 2021

Izay rehetra manota dia andevon’ny ota… Koa raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:34, 36

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Afaka ianao

David Livingstone (1813-1873), mpamantatra tany vaovao sady misionera, dia niasa mafy mba hanafoanana ny varotra andevo. Tany an-taniefitra izy, indray andro, dia nifanena tamina andiana andevo nifatotra, nentina hamidy. Tsy afaka nanohitra izany varotra maharikoriko izany ilay misionera, na dia tezitra mafy aza, nahita izany. Nefa hitany niavaka tao amin’io andiany io ity lehilahy iray mbola nampalahelo kokoa noho ny hafa rehetra, ka nanapa-kevitra izy hividy azy.

Tsy niraika akory ilay andevo mampalahelo, nony raikitra ny varotra : resy lahatra izy fa niova tompo fotsiny ihany.

Dia niteny taminy i Livingstone hoe : „Afaka ianao, satria efa navotako”.

Nefa hoy ilay lehilahy, namaly : „Hijanona hiaraka aminao aho ary hanompo anao, satria niantra ahy ianao”.

Izany tantara izany dia mampahatsiahy antsika ny nataon’i Jesosy ho antsika, nanavotra antsika ho afaka tamin’ny toeram-pahandevozana misy antsika rehetra, noho ny toetrantsika ara-boajanahary.

Soa ihany fa efa vitsy kokoa ny andevo ankehitriny. Na izany aza anefa, ny olombelona dia mbola voagejan’ny fanandevozana amin’ny endriny maro samihafa. Tsy ny fisotro mahamamo ihany no manandevo, na ny vola, ny fahavetavetana eo amin’ny firaisana ara-nofo, ny zava-mahadomelina, fa zavatra maro hafa koa, mety mampiankin-doha mafy antsika ka tsy ahafahantsika miala amin’ireny intsony. Ny ota dia fanandevozana, na ahoana na ahoana fisehony, ary Jesosy Kristy irery ihany no manana fahefana hanafaka antsika amin’izany. Araka izany, ny kristiana dia niova tompo. Navotan’i Jesosy Kristy maty hamonjy azy izy, ka maniry hanompo Azy, Izay nitia azy fatratra.