Talata 2 Novambra 2021

Tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Jakoba 4:14

Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho. Jeremia 7:23

 

Efa antitra

Tao an-tanananay dia nisy lehilahy iray 90 taona, izay toy ny boky nirakitra ny tantaran’ny tanindrazanay. Fony mbola tanora izy dia nanao asa samihafa tsy atao intsony ankehitriny. Izy dia nandray anjara tamina fety natao teny amina toerana efa nanjary korontam-bato sisa, amin’izao fotoana izao. Fianarana ambaratonga voalohany ihany no vitany, nanaovany asan’ny mpitan-tsoratra tao amin’ny lapan’ny tanàna, ary nametrahany masoivoho ara-piarahamonina sy ara-banky, izay mbola misy mandraka ankehitriny. Ankoatra izany dia izy no mpihaza nahay indrindra teo amin’ny faritra nonenany, na dia nihaza tsy nampiasa alika aza, ary tsy nampiasa afa-tsy ny fahalalany ny toerana sy ny biby fihaza.

Mazava ho azy fa nahafinaritra ahy ny nihaona taminy ; tsy sasatra mihitsy aho nametraka fanontaniana taminy. Indray andro anefa dia tsy nandry ny saiko. Hoy aho anakampo : hararaotiko fatratra erỳ ny fahalalana sy traikefan’io zokiolona io, nefa izay fantatro, ny harena sarobidy ananako, tsy mba resahiko azy mihitsy. Tonga saina aho hoe tsy mahay mankasitraka, ka nanolotra fanomezana ho azy, dia Testamenta Vaovao. Tena liana izy namaky azy, ary sambatra nandray ny Tompo Jesosy ho Mpamonjiny. Tsy maintsy niandry 90 taona izy, vao nidiran’ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pony. Voavonjy tamin’ny ora farany izy : fotoana fohy taorianan’ny namakiany io Boky io, dia nifarana ny fiainany teto an-tany.

Tsy tara loatra, na dia 90 taona aza vao mandray ny famonjen’Andriamanitra ! Izany anefa tsy tokony hanosika antsika hanao ampitso lava ny fanapahan-kevitra hitodika amin’i Jesosy Kristy. Aza mangataka andro, satria tsy antsika ny ampitso. Ary raha manana tombontsoa mahalala an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy isika, dia aza misalasala mizara izany harena izany !