Alatsinainy 1 Novambra 2021

Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko ? Manantenà an’Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho, noho ny famonjen’ny tavany. Salamo 42:5

 

Tsara kokoa noho ny mangora-tena

Misy andro andalovantsika rehetra fotoan-tsarotra, fijaliana ara-batana, ara-panahy na ara-tsaina, vokatr’ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana. Mifantoka amin’ny fangirifiriantsika isika, ka mihevitra fa isika irery no mijaly, hany ka mitoka-monina, mangoraka ny tenantsika, dia mihodinkondina eo, tsy misy fanantenana…

Ndao anefa hitraka, mba hiantso an’Andriamanitra Mpahary antsika ! Tsy Izy ve no afaka manampy antsika indrindra ? Eo amin’ny toerana misy antsika, any amin’ny faralalin’ny lavaka mangitsokitsoka, dia hainy atao ny mikasika antsika sy manome antsika fanantenana indray. Izy dia naneho ny tenany ho Ilay Andriamanitra tia sy mikarakara ny voariny. Afaka miaina ny nandalovan’i Davida isika : „Niandry dia niandry an’i Jehovah aho ; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Dia nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ny fotaka mandrevo ; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy” (Salamo 40:1, 2).

Rehefa mitaraina amin’Andriamanitra sy miantso Azy am-patokiana isika, dia afaka miala avy ao amin’io lavaky ny famoizampo io sy manatsotra ny tanantsika mba handray ny tanany. Ny faniriany dia ny hamaly ireo rehetra matoky Azy : „Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindrampony” (Salamo 147:11).

Andriamanitro ô, amboary aho tsy hangora-tena fa hitady Anao, na inona na inona miseho ; eo mandrakariva Ianao, ary ny tananao dia mitsotra lalandava amiko ! Ary mifanohitra amin’izany, amboary koa aho hihetsi-po amin’ny fijalian’ny hafa sy hanampy azy ireny araka izay kely vitako.