Alahady 31 Oktobra 2021

Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray, ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana. Romana 5:12

Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika… nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10

 

Ny drafitr’Andriamanitra

Maro ny olona tsy mino an’Andriamanitra. Ny sasany indray dia tsy mino afa-tsy Andriamanitra „bonaika”, Izay tsy miditra an-tsehatra eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Nefa tsy tian’Andriamanitra hanjavozavo ny hevitsika momba Azy, satria Izy dia manana vinavina miaraka amintsika sy ho an’ny tsirairay amintsika. Misy mihevitra fa ny tanjon’ny fiainana dia ny „ho any an-danitra”, nefa tsy miezaka hahalala misimisy kokoa momba izany.

Mba hahafantarana ny drafitr’Andriamanitra sy ny fikasany, dia ilaina aloha ny manaiky fa Izy no Ilay Mpahary, avy eo Izy no Ilay efa naneho ny tenany tamin’ny olona tamina fomba maro samihafa. Tonga olona mihitsy aza Izy, mba hanatona antsika. Nomeny antsika ny Baiboly, izay teniny. Mampiseho ny fon’Andriamanitra izany teniny izany, ary manaporofo fa ny olona, raha amin’ny herin’ny tenany fotsiny, dia tsy afaka manatona Ilay Andriamanitra masina, satria „samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23). Lazain’Andriamanitra antsika fa nomeny ny Zanany Lahitokana, mba hamonjy ny olona very. Ny tena tanjony dia ny hahafahan’ny olona manatona an’Andriamanitra am-piadanana, sy mandray ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Mba hanatanterahana io drafitr’Andriamanitra io, dia nidina avy any an-danitra Jesosy, Ilay Olona lavorary, ary nandray teo amin’ny tenany ireo fahotantsika, mba tsy hizakantsika ny famaizana noho izany : „Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:5). Ny hoe mino an’Andriamanitra dia ny mandray amin’ny finoana ny famonjeny maimaimpoana. Mbola manolotra izany Izy mandraka ankehitriny, satria tiany hovonjena ny olona rehetra ary tiany ho tonga amin’ny fahalalana ny marina (1 Timoty 2:4).