Asabotsy 30 Oktobra 2021

Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolaintsika etỳ an-tany (ny vatantsika), dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tànana, izay maharitra mandrakizay, any an-danitra. 2 Korintiana 5:1

 

Tsy miha antitra

Tsy faniriana ao anatintsika rehetra ve tsy hiha antitra, na mivaky izany isika na tsia ? Ezaka maro moa izany atao izany, mba hanafoanana ny fihasimban’ny vatan’olombelona, mba hampiadana kokoa io fivoarana tsy hay sakanana io, ary mba hahitana fisotro maha tanora tsy hay hoe inona !

Fantatry ny kristiana fa navelan’Andriamanitra hiasa io lalànan’ny fihasimban’ny „toetra ivelany” io. Nefa ny Baiboly dia manome antoka azy fa hovaina hitovy amin’ny vatan’i Jesosy Kristy ny vatan’ny mpino. Ankoatra izany, mandritra ny fahaveloman’ny mpino etỳ an-tany, dia monina ao anatiny Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina, ary te hampiasa ny vatantsika ho amin’ny tsara sy ho voninahiny. Tsy izany koa ve no faniriantsika ?

Ny „toetra anatiny” dia ilay ampahany tsy azo tsapain-tanana amin’ny maha isika antsika. Io no manana fifandraisana amin’Andriamanitra, ary havaozina mandrakariva, na mamely aza ny hasasarana sady mihasimba ny vatana. Niainan’ny apostoly Paoly izany, ary nambarany hoe : „Ary tsy ketraka izahay ; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny” (2 Korintiana 4:16). Isanandro ny herin’ny Fanahy Masina dia mahatonga an’i Jesosy ho velona ao anatin’ny kristiana. Tsy malahelo izy mahita hoe mihena ny herim-batany sy ny fahafahany manao zavatra —tsy malahelo satria ny finoany dia miandrandra ny voninahitra ho avy, ary efa miaina izany sahady. Ny fijerin’ny fanahy dia mihodina tsy ho amin’ny zavatra hita maso, mba hijanona ao amin’ny tsy hita maso sy maharitra mandrakizay. Ny kristiana dia miandry ny Mpamonjiny ho tonga avy any an-danitra sy hanafy azy vatana feno voninahitra, na dia mandalo fahafatesana aza ny tenany. Amin’izay dia „hatelin’ny fiainana” ny rehetra mety maty (2 Korintiana 5:4).