Zoma 29 Oktobra 2021

(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24

 

Efa resy ny fahafatesana

Ahoana no ho fiheveranao ny olona manakimpy ny masony mba hisorohany loza ? Toy izany anefa, matetika, no ataontsika, manoloana toejavatra tsy azo ialàna. Hoy ny filôzôfa Pascal : „Ny olona, rehefa tsy afaka ny tsy ho tratran’ny fahafatesana, dia nahita ny hevitra hoe tsy hieritreritra momba izany mihitsy, mba hanjary sambatra”. Raha ny fahafatesana no fiafaran’ny zavatra rehetra, dia tsy misy azo atao afa-tsy ny manala izany tsy ho ao an-tsaina, ka manampy antsika tsy hieritreritra fahafatesana ny asa, ny fialamboly, ny fandavantena hanao asa soa na zavatra maro hafa. Nefa atao inona moa ny fiainana, raha tsy inona fa fandosirana tsy misy farany ? Hamaly angamba ianao hoe :

— Ny fieritreretana ny fahafatesana dia tsy manova na inona na inona amin’ny tsy fahafahana miala aminy !

— Ny mifanohitra amin’izany no marina. Raha mieritreritra ny fahafatesana ianao, dia mety ho voatarika handre ny feon’Andriamanitra, Izay te hiresaka aminao indrindra momba ny fiainana, ny fahafatesana, ary ny any ankoatra.

— Hay ! Miteny hoe Andriamanitra ? Tsy reko !

— Sokafy ny Baiboly, dia ho renao Izy miteny hoe : „Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao ? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao ?” (1 Korintiana 15:55). Efa resy ny fahafatesana !

— Ahoana hoe ? Fa iza no naharesy azy ?

— Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Izy no nisolo antsika, nandeha tao anatin’ny fahafatesana. Lazain’Andriamanitra antsika ao amin’ny Filazantsara izany.

Raha fintinina, dia hoy ny Baiboly amintsika : fahafatesana mandrakizay no tokony ho anjaranao, noho ireo fahotanao ; ary Jesosy no nisolo anao, nizaka ny famaizana noho ireo fahotanao ireo. Nanomboka teo dia natolony anao ny fiainana, fiainana mandrakizay eo anatrehany. Raha mino izany ianao, manomboka izao dia tsy ho faran’ny zavatra rehetra intsony ny fahafatesana, aminao. Tsy inona mantsy ny fahafatesana, fa varavarana hidirana mba hiainana fiainana tsy misy fiafarany eo akaikin’i Jesosy ; marina fa fiainana tsy misy hasasarana, na fanaintainana, nefa indrindra indrindra, fiainana ao amin’ny fiadanana sy fifalian’ny Mpamonjinao. Koa manomboka izao dia ahazoana tombony ny miaina, satria misy dikany ny fiainana !