Alakamisy 28 Oktobra 2021

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

Hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:42

 

Ny fahafatesana… ary aorianan’izany ?

Maro ny miezaka tsy hieritreritra momba ny any ankoatra, ary re matetika ny hoe : „Tsy mbola nisy olona niverina avy tany amin’ny fahafatesana, mba hanambara amintsika izay misy aorianan’izany”. Tsy mamaha ny olana, sady tsy mitondra fiadanana, ny famerimberenana tsy am-piheverana fiteny toy izany, sady finiavana tsy te hahalala, mba hialana amin’io fanontaniana manetriketrika sady mikasika ny olona rehetra maneran-tany io. Toy izany koa ny fanazavana ataon’ireo nihevitra fa niverina tamin’ny fiainana indray, rehefa tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana fohy.

Ambaran’ny Baiboly antsika fa Jesosy dia nanangana olona maro efa maty, ho velona indray ; anisan’ireny i Lazarosy, izay efa tao am-pasana nandritra ny efatra andro (Jaona 11:43, 44). Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, tamin’ny heriny, dia nanangana azy teo anatrehana vavolombelona maro. Izany dia fijoroana mahatalanjona ho vavolombelona, mampiseho ny atao hoe tena fitsanganana amin’ny maty. Nefa teny an-dalana, talohan’ny nananganany an’i Lazarosy, dia hoy Jesosy tamin’i Marta anabaviny : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” (and 25, 26). Nahoana moa Jesosy no nanambara fa Izy no fananganana ny maty sy fiainana ? Satria Izy tenany dia ho faty eo amin’ny hazofijaliana, ary hitsangana ho velona indray, amin’ny hery hananganany an’i Lazarosy ihany. Porofo maro no omen’ny Tenin’Andriamanitra momba izany. Koa izay mino an’i Jesosy sy izay lazain’ny Baiboly, na dia tsy maintsy handalo ny fahafatesan’ny vatana aza, dia hitsangana indray ka ho velona mandrakizay.

Mbola manambara ihany koa Jesosy hoe : „Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany (izany hoe izay lazain’ny Baiboly) izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ny maty aza” (Lioka 16:31). Ary lazainy mazava fa aorianan’ny fahafatesana, dia na isika any amin’ny fijalijaliana, na any amin’ny fitsaharana miaraka aminy. Izany dia miankina amin’ny safidin’ny tsirairay etỳ an-tany : mino an’i Jesosy na tsia.