Alarobia 27 Oktobra 2021

Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko… ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17

 

Nosamborin’ny polisy

„Kristiana ny ray aman-dreniko. Dieny mbola kely aho dia nampianarin’izy ireo hanaraka an’i Jesosy, tamin’ny famakiana ny Baiboly tao an-tokantrano. Zatra niaraka tamin’izy ireo aho, namonjy fivoriana kristiana. Tamin’izany aho dia nanana fifandraisana tsara tamina tanora mpino. Vetivety foana aho dia nahatakatra fa mpanota ka mila an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiko. Niaiky ny fahadisoako tamin’Andriamanitra aho, ary nino fa maty hamonjy ahy koa i Kristy.

Nefa rehefa nandeha teny ny fotoana, dia niha ivelambelany fotsiny ny fiainako. Nanararaotra ny fiainana aho, ary tsy mba nanontany ny Mpamonjiko. Indray andro aho dia nangatahina namako iray mba hiaraka aminy ho any amin’ny banky, alohan’ny handehananay mitsangantsangana any an-tanàndehibe. Niandry azy teo anoloan’ny banky aho, ary elabe tatỳ aoriana dia nivoaka ihany izy, nony farany. Nanatona azy aho, ary indro fa nosamborin’ny polisy. Niharihary fa nisy raharaha naha voarohirohy ilay namako tamin’ny fitsarana. Nentina tany amin’ny biraon’ny polisy aho, ary nandà mafy fa tsy mpiray tsikombakomba aminy. Nefa notanana tao an-tranomaizina aho ny alin’io, na dia tsy nanao ratsy aza.

Io alina io no kihondalana teo amin’ny fiainako. Nifanohitra tanteraka tamin’ireo taonan’ny fahatanorako, fony mbola Mpiandry ahy Ilay Mpamonjiko ! Na dia ondry nania aho, Izy kosa tsy mba niova na oviana na oviana, ka nanafaka ahy. Tsy hoe tena niaina tao anaty fahotana aho, nefa koa tsy tena nirotsaka nanaraka an’i Jesosy. Zavamisy hita miharihary izany, nefa sarotra nekena. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia tsapako fa marefo aho ary tokony hametraka aminy mandrakariva ny fiainako, ireo fikasako ary ny fifandraisako aman’olona.”