Talata 26 Oktobra 2021

Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo). Efesiana 2:4, 5

 

Afaka manome aina ny fahafatesana

Nisy mpanao gazety ara-panatanjahantena iray teo ambavahoanan’ny fahafatesana, satria azon’aretina mafy nahatratra taova iankinan’aina tao anatiny. Ny famindrana taova taminy no nahafahany „nateraka indray”, araka ny fiteniny. Tohina mafy izy satria sitrana, ka nanoratra hoe : „Afaka manome aina ny fahafatesana”.

Matetika tokoa mantsy ny famindrana taova dia midika fa nisy olona maty, mba hahazoana maka taova iray ao aminy.

Marina fa isika rehetra dia tonga saina hoe ho faty, na ho ela na ho haingana. Nefa Andriamanitra, noho ny fahafatesan’i Kristy, dia manome antsika maimaimpoana ny fahafahana manaiky „hateraka indray”, saingy ho amina fiainana maharitra mandrakizay kosa, amin’ity indray mitoraka ity. Izany no ambaran’i Jesosy antsika ao amin’ny Filazantsara, hoe : „Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:3).

Mba hahafahantsika hateraka indray, dia nilaina ny fahafatesan’i Jesosy. Tsy maintsy hasandratra (eo amin’ny hazofijaliana) „ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3:14, 15).

Araka izany, dia ny finoana no ahafahantsika mandray tombontsoa avy amin’io asa io. Te hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahafatesana Jesosy, satria tia antsika. Ho amin’izany dia natolony an-tsitrapo ny ainy, tamin’ny niaretany ny fangirifirian’ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana. Noho ny fahotantsika, dia nilaina ny nahafatesan’i Jesosy ho antsika : ampy ny mino Azy, mba hanomezany antsika ny fiainana mandrakizay. Fankasitrahana lehibe toy inona moa no tokony hatolotsika an’i Jesosy ! Izany no mitarika antsika hitsaoka dieny ankehitriny, ary ho mandrakizay.