Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo. Jakoba 5:11

Fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony. Fitomaniana 3:32

 

Ny kapoka faratampony (3)

Ny tantaran’i Joba dia feno lesona mahasoa ny mpino rehetra iharana fitsapana sy mijaly. Anisan’ny ampianarin’io tantara io antsika ireto manaraka ireto :

— Ny fitsapana dia mety hihatra amina mpino eken’Andriamanitra, mpino izay fantany sy ankasitrahiny ny fiainam-pinoany. Tsy midika ho famaizana tsy akory ny fitsapana.

— Fahavalo ratsy sady mampatahotra i Satana. Hararaotiny ny fotoana maha malemy na kivy antsika, mba hanafihany antsika, mba hampidirany fisalasalana na fikomiana amin’Andriamanitra ao anatintsika. Asisiny ao an-tsaintsika ny eritreritra hoe manohitra antsika Andriamanitra, tezitra amintsika, na manao tsy rariny amintsika. Ny tanjon’i Satana mandrakariva dia ny hahavery ny fatokiantsika an’Andriamanitra sy ny fanoavantsika Azy.

— Indraindray izy dia mampiasa ireo olona akaiky antsika indrindra sady tsy mahatakatra foana izay manjo antsika.

Na oviana na oviana Andriamanitra dia tsy manohitra ny zanany ; miandany amintsika Izy. Maniry mandrakariva izay hahasoa antsika Izy, ary mampiasa ny zavatra rehetra ho amin’izany (Romana 8:28, 31).

— Na oviana na oviana Andriamanitra dia tsy mikapoka antsika tsy an-keviny. Lanjalanjainy fatratra ny zavatra rehetra, ary apetrany amin’i Satana ny fetra tsy azony ihoarana mihitsy. Andriamanitra no mibaiko, ary tia antsika Izy ! Tsy mahafinaritra Azy velively ny mahita antsika mijaly, ary avelany hihatra amintsika ny fitsapana „raha ilaina izany” (1 Petera 1:6), ary amin’izay ihany.

— Andriamanitra dia „miantra indrindra… sady be famindrampo”. Faranany ny fitsapana raha vao nahatratra ny tanjon’izany, dia ny hahalalantsika tsara kokoa an’Andriamanitra. Tsy haharitra mihoatra noho izay ilàna azy ny fitsapana.

(tapitra)