Alahady 24 Oktobra 2021

Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona ; koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. Isaia 44:22

Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

 

Fahazavan’Andriamanitra

Indray maraina aho dia nijery ny rahona sy zavona nandrakotra loko volon-davenona malahelo ny teny ambanivohitra. Tampoka teo dia nitsoka ny rivotra, nandroaka ny rahona, ary nampisava ny lanitra ho manga : nampamiratra ny taza-maso ny fahazavan’ny masoandro. Dia hoy aho anakampo hoe te hanao toy izany koa Andriamanitra, eo amin’ny fiainantsika.

Raha mahitsy fo isika, dia hiaiky fa ireo fahotantsika, fahadisoana, fisafotofotoana dia mahatonga antsika tsy hahazo aina, ary miteraka haizina eo amin’ny fiainantsika. Ambaran’ny Baiboly mazava amintsika ny vokatry ny ota : „Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Noho ny fahotantsika, dia mendrika ho antsika ny fahafatesana.

Nefa misy tohiny io andinin-tSoratra Masina io, hoe : „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”.

Andriamanitra dia manolotra ny fiainana ho an’ireo izay mendrika ny fahafatesana. Tokony hanafay antsika Izy, nefa dia mamela ny fahotantsika sy manome antsika aina vaovao. Ahoana no ahazoan’Andriamanitra manao izany ? Satria Izy nanome ny Zanany Lahitokana, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanaisotra ny fahamelohantsika. Mamafa izay rehetra fahotantsika ny ran’i Jesosy Kristy, raha mino Azy isika manokana. Tsy mba tianao ve ny hiverina aminy ankehitriny, hivavaka aminy, hiaiky fa mila diovina, mila afahana, ary handray ny aina vaovao atolony ?

Dia hoesorin’Andriamanitra io alahelo manamaloka ny fonao io, hofafany ny fahotanao, ary ny fiainanao hofenoiny ho mandrakizay amin’ny fahazavany sy ny fitiavany.