Asabotsy 23 Oktobra 2021

Mananty tànana aminao aho ; ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. Salamo 143:6

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Jaona 14:6

 

Niaraka tamin’ireo mpivarotra vorodamba ao Le Caire

Henoy i Masera Emmanuelle, manazava ny antony nisafidianany hiaraka amin’ireo mpivarotra vorodamba ao Le Caire, any Egypta, nandritra ny taona maro : „Ny maha sambatra ny olona dia tsy araka ilay tian’ny dokambarotra hampinoana antsika, hoe ny kanonkanona avoakan’ny lamaody farany, na ny harena sy ny fahefana —tsy izany, fa ny hatsaran’ny fifandraisana kolokoloin’izy ireo. Na ny lehilahy na ny vehivavy, dia samy mila fatratra hotiavina araka ny maha izy azy, fa tsy noho ny hatsaran-tarehiny. Ary izy koa dia mila mitia olona heveriny fa mendrika hotiavina. Ny olona, araka ny nanamboaran’Andriamanitra azy, dia tsy afaka samirery hanome fahafaham-po ny ao anatiny lalina ao.

Any Afrika sy any Azia dia ankizy sy olon-dehibe maro no maty satria tsy manan-kohanina. Any Eoropa dia maty ny olona satria tsy manana fifandraisana velona amin’olon-kafa. Nefa misy ratsy kokoa noho ny maha irery, dia ny fahabangana satria tsy eo Andriamanitra. Nilaza izany tsara i Saint-Augustin, tao amin’ny vavaka hoe : „Tsy manana fitsaharana ny fonay, ry Tompo, raha mbola tsy miala sasatra ao aminao”. Ary ny olona rehetra, na iza izy na iza, dia tsy afaka mampitony io fahabangana io, raha tsy mijery ambony kokoa noho ny etỳ an-tany. Ao amin’ireo fangirifiriana sy fifaliana iainantsika, ary na ao amin’ny fitiavan’olombelona aza, dia miandrandra izay mihoatra antsika isika, mila mahafantatra fa tia antsika Andriamanitra.

Indraindray dia misy manontany ahy ny tsiambaratelon’ny herin’aina ato anatiko. Io tsiambaratelo io dia Jesosy Kristy. Izy no fisefoan’ny tenako, herin’ny fahalemeko, fifalian’ny foko.”