Zoma 22 Oktobra 2021

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Matio 24:35

Hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. 2 Petera 3:10

 

Olona goavambe manan-tongotra tanimanga

„Olona goavambe manan-tongotra tanimanga” : izany fiteny nanjary mahazatra izany dia manondro zavatra toa matanjaka be, raha jerena etỳ ivelany, nefa raha ny marina, marefo dia marefo.

Io dia kisarisary avy amina tantara iray ao amin’ny Baiboly (bokin’i Daniela toko faha-2). Nanonofy zavatra hafahafa i Nebokadnezara, filohan’ny fanjakana kaldeana, nahita sariolona lehibe voarafitra singa efatra samy hafa tanteraka. Daniela, ilay mpaminany natao sesitany tany Babylona, no nanazava ny hevitr’io nofin’i Nebokadnezara io. Ilay sariolona goavambe manan-tongotra tanimanga, hoy izy, dia maneho fanjakana lehibe efatra hifandimby, izay samy ho rava, satria marefo ny fototra iorenany. Nohamarinin’ny tantara izany fanazavana izany.

Io olona goavambe manan-tongotra tanimanga io dia mampahatsiaro antsika ihany koa fa marefo ny zavatra rehetra alamin’ny olona etỳ an-tany. Dia tsy misy na inona na inona ve izany, mafy sy azo antoka, eto amin’ity tontolon’ny taonjato faha-21 iainantsika ity ? Hoy ny filôzôfa iray : „Ny zavatra hany azo antoka amin’ny hoavy, dia isika rehetra samy ho faty avokoa”. Izany teny izany dia manamafy ny lazain’ny Baiboly hoe : „Samy efa nanota izy rehetra”, ary „fahafatesana no tambin’ny ota”. Soa ihany fa tsy izany no faratenin’Ilay Andriamanitra tia ny voariny sy te hamonjy azy, fa hoe : „ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 5:12 ; 6:23). Ho an’izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy, dia Izy no fanorenana mafy, mamonjy ho afaka amin’ny fahafatesana sy manome ny fiainana mandrakizay. Ianao ve mba efa nandray io famonjena io sy io fanantenana io, araka ny maha fahasoavana izany famonjena sy fanantenana izany ? Tsy hirodana na oviana na oviana ireo, satria Jesosy mihitsy no miantoka ireo.