Alakamisy 21 Oktobra 2021

Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

 

Teny roa monja

Nizara trakta ara-pilazantsara ity ramatoa iray, teny ambony sambo. Nijery vetivety ilay taratasy kely nomena azy ity lehilahy iray. Nony hitany hoe niresaka inona ilay izy, dia norovidrovitiny ary natsipiny tany anaty rano. Afa-po erỳ izy, nahita ny poti-taratasy natambolimbolin’ny rivotra, dia nindaosin’ny rano.

Ny hariva, rehefa nanala ny akanjony tao an’efitranokeliny izy, dia nahita poti-taratasy niraikitra tamin’ny palitaony. Sombin’ilay trakta io, nisy teny roa monja, hoe : „Andriamanitra”, teo amin’ny lafiny iray, ary „mandrakizay”, tao ambadika.

Teny roa monja, nefa tsy namela azy hahita tory ! Niverimberina nifandimby tao an-dohany ireo. Nisotro zava-pisotro mahery iray vera izy, hanala vonkina ny sainy, nefa tsy nisy vokany izany.

Andriamanitra… Tsy maintsy hanan-draharaha aminy, na tiana na tsy tiana.

Ny mandrakizay… Teny mampahatahotra ! Fohy dia fohy ny fotoana sisa hahavelomany, raha oharina amin’ny mandrakizay ! Tsy tokony ho matotra ve izy, mihevitra ny momba izany ?

Tsy fantatsika hoe naharitra hafiriana ireo teny roa ireo no nikitikitika ny fieritreretan’io olona io. Indray andro anefa izy dia nahare ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, tonga tetỳ an-tany mba hampihavana amin’Ilay Andriamanitra masina ny olo-meloka, sy hitondra ho azy ireo ny fiainana mandrakizay. Nandray tamin’ny finoana ny vaovao mahafaly izy, ka nahita fiadanana ho an’ny fieritreretany sy fifaliana ho an’ny fony.