Alarobia 20 Oktobra 2021

Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany (eo anatrehan’i Jesosy Kristy) : Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. 1 Jaona 5:14

 

Fisaintsainana

Diso kajy ny olona te hitsitsy fotoana ka tsy mivavaka amin’ny maraina. Tsy hanana fotoana ampy izy, hanaovany ny asany mandritra ny andro.

Niteny i Martin Lotera hoe : Be dia be zavatra hatao aho anio, ka heveriko fa tokony hivavaka ela kokoa aloha.

Rehefa tsy azonao izay rehetra irinao, dia isao ny zavatsoa rehetra efa nomen’Andriamanitra anao. Saintsaino koa ny zavatra rehetra noraisinao nefa tsy nangatahinao tamina vavaka, na tsy nanananao fotoana hanirina azy akory aza.

Aleo ny fonao avela hivavaka tsy mamoaka teny, toy izay ianao hivavaka amin’ny molotrao, nefa ny fonao tsy ao akory.

Na zavatra kely aza, dia mety hisy vokany lehibe, raha ataonao mba hahafaly an’Andriamanitra.

Aoka ny fomba fiainanao, hahatonga ireo izay mianatra hahafantatra anao, haniry hahafantatra ihany koa an’i Jesosy Tomponao.

Isika dia tokony hiaina toy ny hoe afaka mihataka amin’izao tontolo izao, na tsy miala teo aminy aza, mba hisitraka ny fahasambaran’ny lanitra, alohan’ny hidirana any.